2025
Manaraka ny diany
Mey 2025


“Manaraka ny diany”, Namana, mey 2025, 17.

Nosoratanareo

Manaraka ny diany

Fanehoana an-tsary ny lahy antitra iray mandeha eo amin’ny ranomandry ary ankizilahy sy  ankizivavy iray manaraka ny diany ao afarany.

Indray andro dia nandeha nilalao kalesin-dranomandry niaraka tamin’i dadabe sy bebe ny fianakaviako. Nankeny amin’ny toerana malalaka iray izay rakotry ny ranomandry vao nirotsaka amin’ny hatevenany iray metatra izahay. Tena sarotra ny nandeha teo amin’ilay izy. Sarotra tamin’ny anabaviko ny nandeha teo ambonin’ny ranomandry ka dia hoy ny dadako: “Araho fotsiny ny dian-tongotro.”

Nanomboka nandeha teo ambonin’ny dian-tongony izaho sy ny anabaviko. Rehefa ela ny ela dia te hanandrana ny handeha samy irery kely fotsiny aho. Rehefa nandeha irery teo amin’ny ranomandry aho dia sarotra kokoa ny nanao izany!

Mora kokoa ny nandeha teo amin’ny dian-tongotry ny dadako satria efa nanao ilay ampahany sarotra tamin’ny fandehanana tao anaty ranomandry izy. Manana fijoroana ho vavolombelona aho fa efa nanao ny ampahany sarotra indrindra i Jesoa Kristy. Raha manaraka ny dian’i Jesoa ianao dia ho mora kokoa ihany koa ny fiainanao.