“Ireo tenin’ny Filazantsarako”, Namana, mey 2025, 10.
Ireo tenin’ny Filazantsarako
Tadiavo ato amin’ity laharana Namana ity ireo teny sy andian-teny ireo!
Didy
Ny didy dia zavatra angatahan’ny Ray any An-danitra mba hataontsika satria tia antsika Izy. Ny didy dia torolalana omeny antsika mba hahafahantsika ho faly sy hiverina any Aminy indray andro any. Voatahy isika rehefa manaraka ny didiny.
Fanomezam-pahasoavana ara-panahy
Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no anomezan’ny Ray any An-danitra antsika tsirairay avy fanomezam-pahasoavana ara-panahy mba hitahiana ny hafa. Tsy mitovy daholo ny fanomezam-pahasoavana ananan’ny olona, saingy samy manana fanomezam-pahasoavana ara-panahy avy amin’ Andriamanitra daholo ny olona. Azonao vakina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:11–26 ny momba ny sasany amin’ireny fanomezam-pahasoavana ireny.
Fijoroana ho vavolombelona
Ny fijoroana ho vavolombelona dia ny zavatra inoanao na fantatrao fa marina momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsaran’Izy Ireo.
Fiainana mandrakizay
Noho ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay isika, izay midika fa hiaina mandrakizay miaraka amin’y Ray any An-danitra sy i Jesoa ary ny fianakaviantsika isika.