2025
Ampianaro momba ny Fanahy Masina aho
Mey 2025


“Ampianaro momba ny Fanahy Masina aho”, Namana, mey 2025, 46–47.

Ireo zavatra fototra ao amin’ny filazantsara

Ampianaro momba ny Fanahy Masina aho.

Olona fanahy ny Fanahy Masina. Midika izany fa tsy manana vatana azo tsapain-tanana Izy. Manampy antsika hahafantatra izay tian’ny Ray any An-danitra holazaina amintsika Izy.

Afaka mankahery antsika ny Fanahy Masina rehefa matahotra na malahelo isika. Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny fahatsapana sy hevitra mangina Izy.

Manampy antsika hahatsapa fifaliana ny Fanahy Masina rehefa manao safidy tsara isika.

Manampy antsika hahatsapa fitiavana avy amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina. Ary manampy antsika hahafantatra ny marina Izy.

Fotoana hanaovana sahanasa

Afaka manampy amin’ny fitarihana anao mba hanao safidy tsara ny Fanahy Masina. Tondroy ireo safidy tsara ataon’ireo ankizy ireo.