2025
Fanomezana ny vatanao!
Mey 2025


“Fanomezana ny vatanao!” Namana, mey 2025, 38–39.

Fanomezana ny vatanao!

Zazalahy manodidina ny 11 na 12 taona sy molotra mitsiky

Samy manana ny habeny, bikany sy ny zavatra hainy hatao ary ny lokony avy ny vatana ara-nofo. Fanomezana mahatalanjona avy amin’ Andriamanitra ny vatana tsirairay ary ampahany manan-danja ao amin’ny drafiny izany!

Mendrika ny hajaina avokoa ny vatana rehetra. Miresaha amin-katsaram-panahy momba ny vatanao sy ny an’ny hafa. Mety hilaza zavatra ratsy momba anao ny olona, saingy tsy voatery hino azy ireny na hifantoka amin’ny tenin’izy ireny ianao.

Fonjam-by sy paoma ary famohazana (fanairana amin’ny torimaso)

Ny vatanao no trano fonenan’ny fanahinao. Manan-danja ny sakafo haninao sy ny fampahalalana atsofokao ao amin’ny atidohanao! Afaka mikarakara ny vatantsika isika amin’ny alalan’ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy fanazaran-tena ary fananana torimaso ampy.

Tsipika mitsitapataka manoritra ny vatana

Afaka mikarakara ny fanahintsika isika amin’ny alalan’ny fihainoana ny Fanahy Masina, ny fivavahana ary ny fisafidianana ny tsara.

Ankizilahy eo amin’ny 11 taona na 12 taona eo miaraka amin’ny fitarafana eo amin’ny tratra ka hitanao ny karanolona (squelette)

Ny ankamaroan’ny olona dia manana taolana mihoatra ny 200 isa. Mitazona sy miaro ny vatanao ny taolanao. Manampy anao hihetsika sy handeha ary hihazakazaka ny hozatrao.

Fon’olombelona

Misokatra sy mihidy mihoatra ny in-100.000 isan’andro ireo valvan’ny fonao. Manampy amin’ny fanaparitahana ny rà manerana ny vatana manontolo izany.

Atidohan’olombelona

Miasa mafy ny atidohanao mba hahatakarana ny zavatra rehetra hitanao sy renao ary tsapanao. Matanjaka sy haingana kokoa noho ny solosaina rehetra izany.

Solomaso

Rehefa mihalehibe ianao dia hitombo ny vatanao. Novolavolain’ny Ray any An-danitra ny vatanao mba hitohy hiova mandritra ny fiainanao manontolo!

Ankizilahy 11 na 12 taona mitsiky mametraka ny tanany eo an-tsoroky ny ankizilahy iray hafa izay miketrona.

Ny zavatra ataonao amin’ny vatanao dia manan-danja lavitra noho ny endrika isehoan’zany. Moa ve izy io ampiasainao mba hitondrano ny tenanao sy ny hafa amin-katsaram-panahy sy hanarahana an’i Jesoa Kristy?”

Aza mampitaha ny vatanao amin’ny an’ny olon-kafa. Tsarovy fa fanomezana avy amin’ny Ray any An-danitra ny vatanao!