“Lehibe loatra ao amin’ny Kilonga?” Namana, nôvambra 2024, 40–41.
Lehibe loatra ve ka tsy sahaza ny ao amin’ny Kilonga?
Naniry ny ho afaka hifindra ao amin’ny Zatovovavy i Gift.
Nitranga tany Nigéria ity tantara ity.
“Tonga soa ato amin’ny Kilonga!” Nijoro teny aloha rahavavy Agbor, mpitarika ny Kilonga an-dry Gift. “Anio isika dia hianatra ilay hira hoe: –Mifankatiava.–”
Nanomboka ny hira, ary vonona ny hihira ireo ankizy kely. Saingy efa hain’i Gift io hira io. Efa nihira izany efa imbetsaka izy! Tsy tena nahatsapa ho te hihira izany izy tamin’izay.
Leo manatrika ny Kilonga i Gift. Zokiny kokoa sy lava kokoa ary lehibe kokoa noho ireo ankizy hafa rehetra izy. Ao amin’ny Zatovovavy avokoa ireo namany ao am-piangonana tamin’izany fotoana izany. Mbola nisy herintaona latsaka kely teo vao afaka ny hiaraka amin’izy ireo hanatrika ireo kilasin’ny Zatovovavy sy ireo fiaraha-mientana izy.
Raha nihira ny olon-kafa rehetra, dia nangina kosa i Gift. Nanonona ny sasany tamin’ireo tononkira izy, saingy sahirana nieritreritra izy.
Avy eo dia nahita hevitra izy. Angamba raha miresaka amin’ny eveka izy, dia hamela azy handeha ho any amin’ny Zatovovavy alohan’ny fotoana izy, mba hahafahany miaraka amin’ireo namany.
Hitan’i Gift ny Eveka Achombi taorian’ny fivoriam-piangonana. “Manahoana Eveka a!” hoy izy. “Tsy dia mahatsapa ho isan’ny Kilonga intsony aho. Lehibe sy zokiny kokoa noho ireo ankizy hafa rehetra aho. Afaka manomboka mandeha any amin’ny Zatovovavy ve aho?”
Nitsiky ny Eveka Achombi. “Fantatro fa mampientanentana ny fifindrana ao amin’ny Zatovovavy,” hoy izy. “Saingy tsy afaka ny hanatrika ao ianao raha tsy amin’ilay taona izay maha-feno 12 taona anao. Miala tsiny.”
Niondrika nijery ny kirarony i Gift. “METY IZANY.”
“Sambatra ny Kilonga manana anao,” hoy ny eveka. “Mieritreritra aho fa tena tia anao ireo ankizy kely. Afaka mitondra fiovana lehibe ho azy ireo ianao.”
Nalahelo i Gift nandritra ny fotoana sisa tamin’io andro io. Tena fotoana lava nahatonga ho manirery ao amin’ny Kilonga izany herintaona izany.
Saingy nieritreritra kokoa momba ny zavatra nolazain’ny Eveka Achombi i Gift avy eo. Tena tian’ireo ankizy hafa tokoa ve izy? Tsy mbola nahatsikaritra izany mihitsy izy teo aloha.
Nanofahofa tanana nanao veloma ireo namany i Gift rehefa nandeha nankany amin’ny efitranon’ny Zatovovavy izy ireo ny herinandro manaraka. Nisento izy ary nandeha nankany amin’ny efitrano fianaran’ny Kilonga.
“Gift,” hoy rahavavy Agbor, “vonona ny hanampy ahy hampianatra ny hira amin’ity herinandro ity ve ianao?”
“Mm, tsy maninona,” hoy i Gift. “Inona no hira ianarantsika?”
“-Zanaky ny Ray aho-’ hoy rahavavy Agbor. “Misaotra anao noho ny fanampianao! Mihevitra aho fa ho faly ny ankizy rehefa ampianarinao.”
Nijoro teny aloha i Gift rehefa nanomboka ny fotoam-pihirana. “Hampianatra anareo ny iray amin’ireo hira tiako indrindra aho androany,” hoy izy. Nanampy ny ankizy hianatra ireo teny izy. Avy eo dia niara-nihira ilay hira tamin’izy ireo izy. Nahatsapa hafanana sy fifaliana tao anatiny i Gift rehefa nihira izy ireo. Fantany fa nahatsapa ny Fanahy Masina izy.
Fotoana fohy taorian’izay dia efa ho tapitra sahady ny kilasin’ny Kilonga! Taorian’ny vavaka famaranana dia nanomboka nandeha tany an-dalantsara i Gift. Naniry ny hahita ireo namany izy taorian’ny kilasin’ny Zatovovavy natrehan’izy ireo ka hiarahaba azy ireo.
Saingy nosakanan’ny iray tamin’ireo ankizivavy kely izy. “Misaotra anao niara-nihira taminay!” Nofihininy i Gift. “Te ho tahaka anao aho rehefa lehibe.”
Nitsiky i Gift. Mbola tsy andriny ny handeha ho any amin’ny Zatovovavy, ary nanantena izy fa handeha haingana ny taona manaraka. Saingy fantany fa mbola afaka mianatra sy manao zavatra tsara ao amin’ny Kilonga izy.
Ary angamba tsy diso ny eveka Achombi. Afaka mitondra fiovana izy.
Sary nataon’i Simini Blocker