“Hiverina indray i Jesoa Kristy,” Namana, nôvambra 2024, 2–3.
Hafatry ny fihaonambe avy amin’ny Mpaminany
Hiverina indray i Jesoa Kristy
Nalaina avy tamin’ny “Hiverina indray i Jesoa Kristy Tompo,” Liahona, nôv. 2024, 121–22.
Nanao izao fampanantenana izao taminareo ny Tompo: “Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88).
Nentin’i Jesoa Kristy teo Aminy ny fahotanao, ny fanaintainanao, ary ny ratram-ponao. Hamela anao Izy rehefa mibebaka ianao. Hanome anao ny zavatra ilainao Izy.
Miantso anareo aho anio mba hanampy hanomana an’izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Miantso anareo aho hiresaka an’i Kristy, hijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy, hino an’i Kristy, ary hifaly ao amin’i Kristy! Izany no tsiambaratelon’ny fiainana feno fifaliana.
Mbola ho avy ny maraina rehefa mampitodika tanteraka ny fontsika sy ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy isika.
Vonona rehefa tonga indray Izy
Nanasa antsika ny Filoha Nelson hiomana amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany. Ataovy an-tsary ny zavatra ho ataonao mba hiomanana. Jereo etsy ambany ireo hevitra sasantsasany avy ao amin’ny lahatenin’ny Filoha Nelson!
Manao sy mitandrina fanekempihavanana
Manampy amin’ny fitondrana ny hafa hanatona an’i Kristy.
Miomàna handeha any amin’ny tempoly.
Mianara momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany