“Mpinamana amin’ny alalan’ny taratasy,” Namana, nôv. 2024, 1.
Mpinamana amin’ny alalan’ny taratasy
Ireo toerana amakiantsika ny Namana
I Jared sy i Taylor ary i Jordan H., 4 taona,1 taona ary 7 taona dia mamaky ny Namana amin’ny teny Anglisy ao Mashonaland Atsinanana, Zimbabwe.
Hazon’ny fankasitrahana
Nanamboatra hazon’ny fankasitrahana aho ary nanoratra ireo zavatra maha-feno fankasitrahana ahy eo amin’ireo ravinkazo (nôv. 2023).
Kate G., 8 taona, Connecticut, États-Unis
Mahafinaritra ahy ny mahita ny Tempoly
Nitsidika ny Tempolin’i Manille Philippines niaraka tamin’ny fianakaviany i Charlotte C., 10 taona.
Tianay ny maheno vaovao avy amin’ireo namanay!