“Arahaba avy any Kenya!” Namana, nôvambra 2024, 12–13.
Arahaba avy any Kenya!
Fantaro ny momba ireo zanaky ny Ray any An-danitra manerana izao tontolo izao.
Any Afrika Atsinanana no misy an’i Kenya. Olona eo ho eo amin’ny 50 tapitrisa no mipetraka any!
Fiteny
Manana fiteny ôfisialy roa i Kenya: Swahili sy Anglisy. Misy fiteny am-polony hafa koa ampiasaina any.
Fitsidihana an’i Kenya
Nitsidika ny toerana hanorenana ny Tempolin’i Nairobi Kenya ny Loholona Ronald A. Rasband tamin’ny mey 2022. Nilaza izy fa iray tamin’ireo fotoana tiany indrindra izany nandritra ny diany nankany Kenya.
Andiana sama
Rehefa feno ahidrano ny Farihy Nakuru dia tonga ireo flamants an’arivony mba hihinana izany. Afaka mahatonga ny farihy iray manontolo ho mavokely ny isan’ny flamants!
Mpanao hazakazaka miavaka
I Kenya dia fonenan’ny maro amin’ireo mpanao hazakazaka lavitr’ezaka mahay indrindra eran-tany. Nandrombaka medaly miisa 106 izy ireo avy tamin’ireo taranja hazakazaka tao anatin’ireo lalao Olimpika.
Sary nataon’i Ruth Hammond