2024
Torohevitra ho an’ny dianao voalohany ho any amin’ny tempoly
Nôvambra 2024


“Torohevitra ho an’ny dianao voalohany ho any amin’ny tempoly,” Namana, nôvambra 2024, 38–39.

Torohevitra ho an’ny dianao voalohany ho any amin’ny tempoly

Azo atao batisa ho an’ireo olona efa maty nefa tsy nahafantatra ny filazantsara ianao ao amin’ny tempoly. Hanana fahafahana hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo fitahiana avy Aminy ireo olona ireo, tahaka ny nataonao tamin’ny fotoana nanaovana batisa anao sy nandraisana anao ho mpikambana.

Zavatra hoentina

  • Akanjo fitondra rehefa miangona (anaovy izy ireo rehefa mankany amin’ny tempoly)

  • Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

  • Borosim-bolo sy fato-bolo (raha ilaina)

  • Anaran’ny fianakaviana vita printy avy ao amin’ny application FamilySearch na tranonkala (tsy voatery)

Inona no hatao?

Ankizy miditra ny tempoly

1. Midirà ny tempoly

Asehoy eo amin’ny birao fandraisana ny fahazoan-dalanao. Afaka mandeha any amin’ny toerana fanaovana batisa ianao avy eo. Ny mpanao asa iray ao amin’ny tempoly dia hanome anao akanjo anatiny fotsy, ba kiraro, ary akanjo tohitena fanaovana amin’ny batisa.

Ankizilahy manao akanjo fanaovana amin’ny batisa

2. Soloy ny akanjonao

Soloy an’ireo akanjo nomena anao ireo akanjo eny aminao ao amin’ny efitrano fisoloana akanjo. Apetraho ao anaty lalimoara iray tsy misy na inona na inona ireo entanao. Hidio avy eo ny lalimoaranao ary apaingory eo amin’ilay akanjonao tohitena ny fanalahidy. Raha lava ny volonao dia afatory mankany aoriana izany. Ento miaraka aminao ireo anaran’ny olona ao amin’ny fianakavianao vita printy.

Ankizivavy mamaky soratra masina

3. Miandrasa amim-panehoana fanajana

Rehefa miandry ny anjaranao mba hatao batisa ianao dia afaka mamaky soratra masina, na mivavaka, na misaintsaina. Azonao atao ihany koa ny mieritreritra momba ireo olona izay hataonao batisa.

Ankizivavy manao batisa any amin’ny tempoly

4. Mandraisa anjara amin’ny batisa any amin’ny tempoly

Omeo ilay olona eo amin’ny latabatra ny anaran’ireo olona ao amin’ny fianakavianao rehefa tonga ny anjaranao. Raha tsy manana anarana ianao dia hampiasa ireo anarana any amin’ny tempoly izy ireo ho solon’izany. Midira amim-pitandremana mankao amin’ny dobo, izay toerana hanaovan’ny mpihazona fisoronana batisa anao ho an’ny olona tsirairay. Tsarovy ny mamoritra ireo lohalikao sy manampina ny oronao rehefa mampidina anao ao anaty rano izy.

Ankizilahy manao akanjo fitondra miangona, ankizivavy raisina ho mpikambana

5. Avereno anaovana ireo akanjonao

Hanome servieta ho anao ny olona iray rehefa nahavita ianao. Miverena ao amin’ny efitrano fisoloana akanjo, afaka misasa mitokana ianao, miverina manao ireo akanjonao maina ary mibango ny volonao. Ataovy izay hametrahana ny akanjonao mando ao anatin’ilay toerana fametrahana izany ary avelao eo amin’ny fidiran’ny fanalahidy eo amin’ilay lalimoara ny fanalahidinao.

6. Mandraisa anjara amin’ny fandraisana ho mpikambana

Farany, hisy olona hitarika anao ho any amin’ny efitrano iray izay handraisana anao ho mpikambana ho an’ireo izay natao batisa.

Mety hanao zavatra amin’ny fomba miavaka kely ireo tempoly sasany. Saingy na ahoana na ahoana, dia hisy olona hanampy anao foana amin’ny dingana rehetra eny an-dalana. Tsarovy fa ny tempoly dia tranon’ny Tompo, ary faly Izy mandray anao any!

PDF

Sary nataon’i Mark Robison