2024
Ny rahalahin’i Jareda
Nôvambra 2024


“Ny rahalahin’i Jareda,” Namana, nôvambra 2024, 24–25.

Fantaro ny momba ny Bokin’i Môrmôna

Ny rahalahin’i Jareda

Sambon’ny Jaredita

Nanamboatra sambo mihidy,izay nantsoina hoe sambofiara, ireo Jaredita mba ho any amin’ny tany nampanantenaina.

Lavaka fivezivezen’ny rivotra ao anaty sambofiara

Saingy nanana fanontaniana ny rahalahin’i Jareda. Ahoana no fomba hiainan’izy ireo ao anatin’ireo sambo? Nivavaka izy mba hangataka fanampiana, ary nilaza ny Tompo ny mba hanaovana lavaka amin’ireo sambofiara ho an’ny rivotra.

Ny rahalahin’i Jareda misaintaina

Nanana fanontaniana hafa ny rahalahin’i Jareda. Ahoana no hananan’izy ireo hazavana? Nanontany ny zavatra tian’ny rahalahin’i Jareda hataony mba hananan’ny Jaredita hazavana ny Tompo tamin’ity indray mitoraka ity.

Ireo vato kely ho an’ny sambo

Nanana hevitra ny rahalahin’i Jareda nony avy eo. Nangataka ny Tompo izy mba hikasika vato kely miisa 16. Namirapiratra izy ireo rehefa nikasika azy ireo ny Tompo!

Ny rahalahin’i Jareda

Afaka mametraka ireo fanontaniantsika amin’ny Tompo isika. Te hanampy antsika hamaha ireo olantsika Izy.

Sahanasa fitsapam-pahaizana ara-tsoratra masina

  • Taiza no nanafenan’i Amarôna ireo takela-bolamena mba ho hitan’i Môrmôna? (Môrmôna 1:2–3)

  • Inona no zavatra nijoroan’ny Tompo teo am-pitenenany tamin’ireo Jaredita ny toerana handehanana? (Etera 2:5)

  • Taiza no nitondran’ny Tompo ireo razamben’i Sole? (Etera 7:27)

Afaka mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho!

Ireo vato ho an’ireo sambofiara

Rehefa avy mamaky ianao dia lokoy ny ampahany amin’ilay sary. Azonao atao ny mamaky ireo soratra masina ireo miaraka amin’ny vakiteny isan-kerinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy.

PDF

Sary nataon’i Brooke Smart