2024
Ilay soratra masina tara-masoandron’i Maja
Nôvambra 2024


“Ilay soratra masina tara-masoandron’i Maja,” Namana, nôvambra 2024, 14–15.

Ilay soratra masina tara-masoandron’i Maja

“Tsy fantatro raha manana soratra masina tena tiako aho,” hoy i Maja.

Nitranga tany Slovénie ity tantara ity.

Nipetraka teo amin’ny tohatry ny tranony i Maja ary natehiny tamin’ny tanany roa ny saokany. Namirapiratra ny masoandro, namakivaky ireo hazo avo ireo tara-pahazavana mafana. Nanentoento fofona ravina hazo kesika vaovao ny rivotra.

Nivoaka i Neny ary nipetraka teo akaikin’i Maja. “Inona ny zavatra eritreretinao?”

“Tokony hizara ny soratra masina tiako indrindra ao amin’ny Kilonga aho,” hoy i Maja. “Saingy tsy manana aho. Ary tsy fantatro hoe iza ilay anankiray hofidina.”

Nanetsika ny lohany i Neny ho fanekena izany. “Sarotra ny fisafidianana soratra masina tiana indrindra.” Nitsiritsirika ireo hazo izy, dia nitsangana avy eo. “Manana hevitra aho.”

Lasa niditra tany an-trano indray i Neny. Nivimbina ny soratra masiny izy rehefa niverina. “Andeha isika hanomboka amina tantara iray. Inona no tantara tianao indrindra ao amin’ny soratra masina?”

Reny sy zanaka vavy mamaky ny Bokin’i Môrmôna

Nieritreritra momba izany i Maja. “Tiako ilay fotoana nitsidihan’i Jesoa ireo Nefita.”

Namadika haingana ireo pejy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Neny. “Manomboka ao amin’ny 3 Nefia izany tantara izany.” Nanondro ny pejy izy. “Andeha isika hifandimby hamaky sy hisafidy andininy izay tiantsika.”

Nanetsika ny lohany i Maja ho fanekena izany ary nihaino rehefa namaky i Neny. Namaky momba an’i Jesoa Kristy niantso ireo mpianany izy. Namaky momba ny mpampihavana sy ny vavaka izy.

Dia anjaran’i Maja indray izao. Niato izy rehefa nahavita ny iray tamin’ireo andininy. Nanana fahatsapana izy toy ireny hoe namirapiratra mba hameno ny fony ireny ny masoandro.

Ankizivavy mamaky soratra masina

Nitraka nijery an’i Neny izy. “Tiako ity iray ity.”

“Tiako koa io. “Inona no tianao momba izany?” Hoy i Neny nanontany.

Nahetsiketsik’i Maja ny sorony ary feno tsiky ny endriny. “Momba an’i Jesoa ilay izy. Ary mahatonga ahy hanana fahatsapana fifaliana fotsiny.”

Nitsiky koa i Neny. “Tena fomba tsara iray izany hahafantarana fa nahita soratra masina tena tianao indrindra ianao. Te hizara izany ao amin’ny Kilonga ve ianao?”

Nanetsika ny lohany tamim-pientanentanana i Maja ho fanekena izany. “Hanampy ahy hianatra izany ve ianao?”

“Mazava ho azy!” Hoy i Neny.

Nanao fanazaran-tena nianatra teny iray isaky ny mandeha i Neny sy i Maja. Rehefa teo am-pianarana izy ireo dia nisiotsioka teny amin’ny hazo ireo vorona, toy ireny hoe nianatra ireny koa izy ireo.

Nanohy nianatra ilay soratra masina vaovao tiany indrindra i Maja nandritra ny herinandro manontolo. Nitebiteby kely izy ny alahady maraina. Nanao fanazaran-tena nilaza ilay soratra masiny izy nandritra ny dia lavitra natao tamin’ny fiara nankany am-piangonana.

Ankizy vitsy ihany no tao amin’ny Kilonga nisy an’i Maja. Saingy nahatsapa ho nanana tebiteby anaty i Maja rehefa niditra tao amin’ny efitrano fianarana.

Rehefa tonga ny anjarany mba hizara dia nitsangana i Maja ary nifoka rivotra lalina. “Indro, Izaho no lalàna sy fahazavana. Mijere aty Amiko ary mahareta hatramin’ny farany dia ho velona ianareo; fa izay maharitra hatramin’ny farany no homeko ny fiainana mandrakizay.”

Rehefa nahavita i Maja dia nipetraka izy ary nitsiky. Vitany ilay izy! Lasa ilay tebiteby, ary niverina ilay fahatsapana hafanana sy tara-masoandro. Fantany fa hitondra izany fahatsapana izany ny soratra masina tiany indrindra isaky ny mila izany izy.

PDF

Sary nataon’i Chloe Dominique