“Margo sy Paolo,” Namana, nôvambra 2024, 34.
Margo sy Paolo
Ireo zavatra manan-danja momba ny fanehoana fanajana
Andeha isika hiezaka haneho fanajana mandritra ny fivoriam-piangonana, izay an?
Izany dia midika ry Margo hoe, tsy misy feona biby amin’ity herinandro ity.
Nitantara tamin’i Lioka momba ny sambofiaran’i Noa aho! Tsy maintsy nanao feona biby aho.
Tsy voatery hatao mafy loatra izany na dia izany aza.
Nahoana moa isika no tsy maintsy maneho fanajana e? Mankaleo ny fipetrahana amim-pahanginana.
Tsy hoe mangina fotsiny izany. Ny fanehoana fanajana dia fanehoana haja sy fitiavana lalina.
Izany hoe … rehefa maneho fanajana ve isika dia maneho amin’ny Ray any An-danitra ny halehiben’ny fitiavantsika Azy?
Marina izany. Ary manasa ny Fanahy Masina isika hanampy antsika hahatsapa ny halehiben’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika koa.
Tiako Ianao, ry Ray any An-danitra!
Sary nataon’i Katie McDee