“Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe,” Namana, nôvambra 2024, 6.
Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe
Papangohazo sy Fanekempihavanana
Niresaka momba ny zazalahy iray sy ny rainy mampanidina papango (papangohazo) ny Filoha Oaks. Nanontany ilay zazalahy raha toa izy ireo ka afaka manapaka ilay tady mba hanidinan’ilay papango avo kokoa. Nanazava ilay raim-pianakaviana fa ny fanapahana ilay tady dia hahatonga ilay papango hianjera amin’ny tany. Ilay tady dia toy ireo fanekempihavanana izay mampifandray antsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny fitandremana ny fanekempihavanantsika dia manampy antsika hanakaiky kokoa azy ireo.
Mampianatra ahy izany fa:
Ilay varavarankely vita avy amin’ny takela-pitaratra miloko
75 taona lasa izay no vita batisa ny Loholona Uchtdorf! Nanomboka tamin’ny fahazazany tany Alemana ny fijoroana ho vavolombelona nananany. Mbola tsaroany foana ireo fahatsapana masina nananany raha nijery teo amin’ilay varavarankely vita avy amin’ny takela-pitaratra miloko naneho ny sarin’i Jesoa Kristy tao amin’ny trano fiangonan’izy ireo izy. Nijoro ho vavolombelona tao an-tsainy sy tao am-pony ny Fanahy fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao.
Mampianatra ahy izany fa:
Mifantoka amin’i Jesoa
Ny Loholona Egbo dia niresaka momba ny ekipan’ny baolina kitra lehilahy Nizeriana tamin’ny Lalao Olimpika 1996. Tsy nanana vola firy na izay fampiofanana tsara indrindra izy ireo. Saingy nifantoka tamin’ny tanjony izy ireo, tsy niraharaha ireo fanelingelenana hafa rehetra, ary nahazo ny medaly volamena! Rehefa tsy miraharaha ireo fanelingelenan’izao tontolo izao isika ary mifantoka amin’i Jesoa Kristy dia hahita fahombiazana ihany koa.
Mampianatra ahy izany fa:
Mametraka fanontaniana
Nilaza Rahavavy Browning fa hatramin’ny 1992, dia nieritreritra ireo mpahay siansa fa i Pluton no sisiny lavitra indrindra amin’ny rafi-masoandro. Saingy mbola nanohy nianatra sy nametraka fanontaniana hatrany ireo mpahay siansa. Ankehitriny dia fantatsika fa betsaka ny zavatra tokony ho hita any ankoatran’i Pluton! Afaka mitodika any amin’ny Ray any An-danitra isika rehefa manana fanontaniana. Afaka manampy antsika hianatra sy hivoatra ireo fanontaniana momba ny filazantsara atao amin’ny fo.
Mampianatra ahy izany fa:
Sary nataon’i Josh Talbot