Sahanasa momba ny “Avia, hanaraka Ahy,” Namana, nôvambra 2024, 28–29.
Avia, hanaraka Ahy Sahanasa
Ho an’ny takarivan’ny mpianakavy na fandalinana ny soratra masina, na atao fialamboly fotsiny!
28 ôktôbra–3 nôvambra
Mifankatiava
Ho an’ny Môrmôna 1–6
Tia ny Nefita i Môrmôna (jereo ny Môrmôna 3:12). Nangataka antsika mba hitia ny hafa ihany koa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mijoroa ao anatina faribolana iray ary akimpio ny masonao. Manisà telo, avy eo dia sokafy ny masonao ary mijere olona iray. Raha mifanojo ny masonareo, dia mizarà zavatra izay tianareo momba anareo samy ianareo ary mialà ao amin’ilay faribolana. Tohizo hatrany izany ka aza mijanona raha tsy olona iray sisa tavela! Avy eo ny olona rehetra milaza izay zavatra tiany momba izany olona izany.
4–10 nôvambra
Sary momba ny fahagagana
Ho an’ny Môrmôna 7–9
Afaka manao fahagagana ho antsika ny Ray any An-danitra rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy isika. Vakio ny Môrmôna 8:24 ary ataovy sary ny iray amin’ireo fahagagana voalaza ao amin’io andinin-tsoratra masina io. Resaho eo am-panaovanao sary ireo fahagagana nataon’ny Ray any An-danitra ho an’ny fianakavianao.
11–17 nôvambra
Mandoko vato
Ho an’ny Etera 1–5
Nangataka ny Tompo ny rahalahin’i Jareda mba hikasika ireo vato mba hahafahan’ny sambo manana hazavana (jereo ny Etera 3). Manangòna vato avy any ivelany na maneteza faribolana avy amin’ny tapa-taratasy maromaro. Soraty, na ataovy sarisary, na ataovy sary hosodoko eo amin’ny vato na ny taratasinao ireo zavatra azonao atao mba hitondrana hazavana sy fitiavana ho an’ny hafa.
18–24 nôvambra
Hira fankasitrahana
Ho an’ny Etera 6–11
Nihira hira fiderana ho an’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda sy ny fianakaviany mba hisaotra Azy noho ny fanampiany azy ireo, rehefa nandeha namakivaky ny ranomasina izy ireo (jereo ny Etera 6:9). Afaka mihira mba hisaotra ny Tompo koa ianao! Mifidiana hira iray tianao indrindra avy ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy na ny Tranonkalan’ny Fiangonana ary miaraha mihira izany. Ahoana ihany koa no ahafahanao maneho amin’ny Ray any An-danitra fa feno fankasitrahana ianao?
Sary nataon’i Katy Dockrill