“Inona no atao hoe fanekempihavanana?” Namana, nôvambra 2024, 20.
Valinteny avy amin’ny Apôstôly iray
Inona no atao hoe fanekempihavanana?
Jereo ny Gerrit W. Gong, “Fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana,” Liahona, nôv. 2019, 80–83.
Ny fanekempihavanana dia fampanantenana izay manampy antsika hitia an’ Andriamanitra sy hifankatia.
Manasa ny herin’ Andriamanitra ho eo amin’ny fiainantsika isika rehefa manao fanekempihavanana amin’ny batisa sy any amin’ny tempoly.
Lasa ilay tsara indrindra azontsika ahatongavana isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny fanekempihavanantsika.
Manampy antsika hanaraka ny lalana nosoritan’i Jesoa Kristy ho antsika ny fanekempihavanana.
Sary nataon’i Brooke Smart