2024
Vaovaon’ny fihaonambe
Nôvambra 2024


“Vaovaon’ny fihaonambe,” Namana, nôvambra 2024, 4–5.

Vaovaon’ny fihaonambe

Pejy PDF

Teny notsongaina tamin’ny fihaonambe

Mijery fihaonambe manerana izao tontolo izao

Tiako ny mandre ireo apôstôly sy ny mpaminanintsika, ny Filoha Russell M. Nelson, manao lahateny mandritra ny fihaonambe. Tiako ny manana mpaminany iray izay 100 taona!

Luciano F., 6 taona, Magallanes, Chili

Ny filohan’ny sampana misy ahy dia nanao pejy fametrahana fanontaniana sy valiny mikasika ny fihaonambe ho an’ireo ankizy ao amin’ny Kilonga. Nanampy ahy hihaino ireo lahateny nandritra ny fihaonambe izany. Tena nahafinaritra izany.

Yen-Ting C., 10 taona, Changhua County, Taiwan

Ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany no fotoana tsara indrindra hitadiavana sy handraisana fitaomam-panahy ho an’ny tena manokana.

Janice K., 12 taona, Goa, Inde

Nitondra fahatsapana fifaliana ho ahy ny fihirana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, indrindra rehefa nihira momba an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra aho.

Annelise G., 10 taona, Utah, Etazonia

Amboarampeon’ny ankizy

Ankizy an-jatony avy any Utah, Etazonia no nihira nandritra ny fivoriana sabotsy tolakandro. Ny telo tamin’ireo hira nohirain’izy ireo dia avy amin’ireo hira vaovao ao amin’ny Fihirana—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana.

Tempoly firy?

Aorina manerana izao tontolo izao ireo tempoly! Firy ireo tempoly nambaran’ny Filoha Nelson tamin’ity fihaonambe ity?

  • 8 ao Amerika Avaratra

  • + 1 ao amin’ny Karaiba

  • + 1 ao Amerika Afovoany

  • + 2 ao Amerika Atsimo

  • + 2 ao Eorôpa

  • + 3 ao Afrika

  • = ___ tempoly

Totalin’ny tempoly

  • 190 am-perinasa

  • 116 nambara

  • 50 eo an-dalam-panamboarana

  • 7 eo am-panavaozana

Amin’izao sy tamin’izany

Rehefa nanomboka ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany 194 taona lasa izay dia vondron’olona vitsy ihany no afaka nandre ny mpaminany mivantana.

100 taona lasa izay dia afaka nihaino ny fihaonambe tamin’ny radio izy ireo.

75 taona lasa izay dia afaka nijery izany tamin’ny FAHITALAVITRA izy ireo.

25 taona lasa izay dia afaka nijery na nihaino an-jotra izy ireo.

Ankehitriny ny olona dia afaka mijery na mihaino ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao!