2024
Inona no atao hoe famehezana any amin’ny tempoly?
Nôvambra 2024


“Inona no atao hoe famehezana any amin’ny tempoly?” Namana, nôvambra 2024, 22.

Karatry ny tempoly

Inona no atao hoe famehezana any amin’ny tempoly?

Ny famehezana any amin’ny tempoly dia ôrdônansy izay mamatotra ny fianakaviana hiaraka mandrakizay. Midika izany fa raha mitandrina ny fanekempihavanantsika sy mankatò an’ Andriamanitra isika dia hiara-hiaina indray amin’ny fianakaviantsika aorian’ny fahafatesantsika. Nampanantena ireo mpaminany fa afaka ny hiaraka mandrakizay ny fianakaviana noho i Jesoa Kristy.

Tempolin’i Nairobi Kenya

  • Ity no tempoly fahasivy naorina tany Afrika ary ny voalohany tany Kenya.

  • Tonga eto amin’ity tempoly ity ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana an’i Afrika Atsinanana.

  • Nilaza ny Filoha Hinckley tamin’ny taona 1998 fa hisy tempoly haorina any Kenya indray andro any. Nambara ny fanorenana io tempoly io 19 taona taty aoriana.

Tempolin’i Papeete Tahiti

  • Olona an’arivony no nanao hetsika ara-kolotsaina taorian’ny nanavaozana io tempoly io tamin’ny 2006 mba hankalazana ny fanokanana azy indray.

  • Misy tafo manga tsara tarehy izany.

  • Tany Nouvelle Zélande no tempoly akaiky indrindra ho an’i Tahiti talohan’ny nanorenana io tempoly io tamin’ny 1983.

PDF

Sary nataon’i Rachel Erickson