“Manara-dia an’i Jesoa any Kenya,” Namana, nôvambra 2024, 10–11.
Manara-dia an’i Jesoa any Kenya
Fantaro i Martin!
Ahoana no fomba fanarahan’i Martin dia an’i Jesoa
Manara-dia an’i Jesoa i Martin amin’ny alalan’ny fianarana momba Azy. Nomen’ireo misiônera boky kely momba an’i Jesoa Kristy i Martin, rehefa nihaona tamin’izy ireo izy. Somary manana fahasembanana ara-pahitana i Martin, ka tsy afaka namaky ireo teny madinika izy. Mbola te hianatra kokoa anefa izy.
Nomen’ireo misiônera tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny soratra braille i Martin. Fomba fiteny voasoratra ho an’ireo olona jamba na manana fahasembanana ara-pahitana ny braille.
Nisafidy ny hatao batisa miaraka amin’ny rainy i Martin. “Feno fankasitrahana aho noho nyFiangonan’i Jesoa Kristy,” hoy i Martin. “Fantatro fa marina izany.”
Mombamomba an’i Martin
Taona: 10
Fiaviana: Nairobi, Kenya
Tenim-pirenena: Anglisy, Swahili
Tanjona: 1) Hanaparitaka ny fahazavan’i Jesoa Kristy. 2) Hanao asa fitoriana ny filazantsara. 2) Ho lasa mpisolovava.
Fialamboly: Milalao echec, manampy ny rainy amin’ny asa fandraharahany amin’ny fanamboarana akanjo
Fianakaviana: Martin, Dada, zoky lahy
Ireo zavatra tian’i Martin indrindra
Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Rehefa nohamaivanina ny enta-mavesatry ny Nefita (jereo ny Môzià 24)
Andro fialan-tsasatra: Andron’ny Mashujaa (Andron’ireo olona maherifo)
Voankazo: Poara
Loko: Manga
Hira ao amin’ny Kilonga: “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy,, 2–3)