“Inona no atao hoe Mpaminany?” Namana, nôv. 2023, 46–47.
Ireo fototry ny filazantsara
Inona no atao hoe Mpaminany?
Ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminanin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao.
Ny mpaminany dia lehilahy iray nantsoin’ Andriamanitra mba hiteny ho Azy sy hitarika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.
Mitantara amintsika tantara momba ireo mpaminany taloha ela be ny soratra masina.
Mitahy sy miaro antsika Andriamanitra rehefa manaraka ireo fampianaran’ireo mpaminany isika.
Manaraka an’i Jesoa Kristy isika rehefa manaraka ny mpaminany!
Sary nataon’i Alyssa Tallent