2024
Fitsidihana tempoly
Nôvambra 2024


“Fitsidihana tempoly,” Namana, nôvambra 2024, 18–19.

Zavatra mahafinaritra

Fitsidihana tempoly

Tonga soa eto amin’ny tempoly!

Afaka mianatra momba ny drafitry ny famonjena isika ao anatin’ny tempoly ary manao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra. Misy efitrano tsara tarehy maro ao izay ahafahantsika mahatsapa fiadanana avy amin’ny Fanahy Masina.

Efitrano famehezana ao amin’ny tempoly

Ny efitrano famehezana dia toerana izay hamehezana ny mpivady sy ny fianakaviana mandritra izao fotoana izao sy mandrakizay.

Efitranon’ny vehivavy hanambady ao amin’ny tempoly

Ny efitranon’ny vehivavy hanambady dia toerana ahafahan’ny vehivavy miomana alohan’ny hamehezana azy.

Efitrano fampianarana ao amin’ny tempoly

Ny efitrano fampianarana dia toerana ianaranao momba ny drafitry ny famonjena sy hanaovanao fanekempihavanana masina amin’ny Ray any An-danitra.

Efitrano selestialy ao amin’ny tempoly

Ny efitrano selestialy dia manampy antsika hieritreritra hoe hanao ahoana izany hiara-hiaina amin’ny Ray any An-danitra indray izany. Toerana hivavahana sy hisaintsainana ary hamakiana ny soratra masina izany.

Toerana fanaovana batisa ao amin’ny tempoly

Ny toerana fanaovana batisa no toerana ahafahanao atao batisa ho an’ireo olona efa nodimandry. Ireo omby roa ambin’ny folo manodidina ilay toerana fanaovana batisa dia maneho ireo foko roa ambin’ny folon’i Isiraely.

Lisitra fanamarinana ao amin’ny tempoly

Hitanao ao anatin’ny tempoly ve ireto zavatra ireto?

  • fitoeran-jiro iray

  • fitaratra iray

  • vazim-boninkazo iray

  • omby ao amin’ny toerana fanaovana batisa

  • fitaratra miloko

Pejy amin’ny endrika PDF