“Voatery ho tonga lafatra ve aho?” Namana, nôvambra 2024, 36–37.
Voatery ho tonga lafatra ve aho?
Naniry ny handeha ho any amin’ny tempoly i Henry, saingy nahatsapa ho toy ny nanao fahadisoana maro loatra izy.
Nitranga tany Aruba ity tantara ity.
Niditra tsimoramora tao amin’ny efitranon’ny Kilonga i Henry. Tsapany ho navesatra ny tongony rehefa tonga teo amin’ny toerany izy.
Nitsiky taminy rahalahy Rass, mpampianatra azy. “Vonona ny hiresaka momba ny tempoly ve ianao?” hoy izy nanontany.
“Ie,” hoy i Henry namaly.
Nahoana ary aho no nilaza izany? Nieritreritra i Henry rehefa nipetraka. Tsy nahatsapa ho vonona izy. Tena tsy nahatsapa mihitsy.
Ny Kilonga nisy an’i Henry dia nianatra ilay hira hoe “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy.” Nasaina niresaka momba ny fankanesana any amin’ny tempoly ny kilasiny.
Saingy nalahelo i Henry. Naniry ny handeha ho any amin’ny tempoly izy rehefa ampy taona, saingy nahatsapa ho toy ny nanao fahadisoana maro loatra izy.
Nifanesy nitsangana tsirairay ireo naman’i Henry. Faly sy nientanentana izy ireo rehefa niresaka momba ny fankanesana any amin’ny tempoly indray andro any. Nahatsapa ho tsy nahazo aina i Henry ary nihanitombo izany.
Tonga ny fotoana hihirana avy eo. Nihira niaraka tamin’ireo ankizy sisa tao amin’ny Kilonga i Henry: “Ka miomana aho dieny izao, fa izay no adidiko ety.”
Ahoana no ahafahako miomana handeha ho any amin’ny tempoly nefa nanao hadisoana marobe aho? Nieritreritra i Henry. Nitolefika teo ambony sezany izy.
Niondrika Rahalahy Rass rehefa tapitra ilay hira. “Ao tsara ve ianao?” hoy izy nanontany an’i Henry.
Nibanjina ny tanany i Henry. Niteny tamin’ny feo malefaka izy avy eo hoe: “Te handeha ho any amin’ny tempoly aho, saingy matahotra aho sao tsy mendrika.” Nifoka rivotra lalina izy. “Tsy mifanara-tsaina amin’ny fianakaviako aho matetika. Hadinoko ny manao ny raharahako. Manao fahadisoana maro loatra aho. Voatery ho tonga lafatra ve aho?
Nitsiky tamin-katsaram-panahy rahalahy Rass. “Ny hoe mendrika ny handeha any amin’ny tempoly dia tsy midika hoe voatery ho tonga lafatra ianao. Afaka ny ho mendrika isika amin’ny alalan’ny fahatokiana an’i Jesoa Kristy sy ny fiezahana amin-kitsim-po hitandrina ireo didy. Manao fahadisoana avokoa isika rehetra, saingy afaka mibebaka ary afaka ny ho madio indray isika.”
Somary nipetraka mahitsy kokoa i Henry.
“Azoko antoka fa mirehareha ny aminao ny Ray any An-danitra noho ny fiezahanao ho olona tsara,” hoy rahalahy Rass.
Nieritreritra ny sasantsasany tamin’ireo zavatra tsara nataony tamin’izany herinandro izany i Henry. Nahandro sakafo hariva niaraka tamin’i Neny izy, nanampy ny anabaviny nanao ny enti-modiny izy, ary niarahaba ankizilahy vaovao iray tany an-tsekoly.
Nanomboka nihena ny vesatry ny ahiahin’i Henry. Fantany fa nanampy azy hahatsapa fiadanana ny Fanahy Masina.
Rehefa anjaran’i Henry ny nizara dia nitsiky sy nitsangana izy. “Te hanohy hibebaka sy ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa aho mba hahafahako miditra ny tempoly indray andro any,” hoy izy.
Nahatsapa ho faly i Henry rehefa nipetraka. Ho afaka hanao ireo fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra ao anatin’ny tempoly izy indray andro any. Te hiezaka ny hanao ny tsara indrindra vitany izy mba hiomana!
Sary nataon’i Gail Armstrong