2024
Manao zaridaina miaraka amin’i Neny
Nôvambra 2024


“Manao zaridaina miaraka amin’i Neny,” Namana, nôvambra 2024, 30–31.

Manao zaridaina miaraka amin’i Neny

Nitranga tany Nouvelle Zélande ity tantara ity.

Reny sy ny zanaka vavy ao an-jaridaina

Manahoana Emily! Tena mahafinaritra ny andro, sa tsy izany?

Ie! Afaka manandrana ve aho? Te hanampy aho!

Mety ho lehibe loatra aminao ilay angady. Nahoana raha manampy ahy hanala ny ahidratsy eto amin’ny zaridaina ianao?

Eny ary!

I Neny mihazona ahidratsy

’Ndeha isika hitandrina tsara mba tsy hanongotra voninkazo. Hasehoko anao hoe iza amin’ireo no ahidratsy.

Ankizivavy ao an-jaridaina

Ilaintsika hongotana daholo ve ny ahidratsy rehetra? Marobe ireto izy!

I Neny miresaka

Ataontsika izany raha tiantsika ho tsara tarehy ny zaridaina.

Ankizivavy reraka ao an-jaridaina

Sarotra ny mikarakara zaridaina.

I Neny manao asa eo amin’ny saham-boninkazo

Marina ny voalazanao. Saingy ilaina vitaina ihany ilay asa.

Nahoana isika no namboly voninkazo marobe? Mampitombo asa fotsiny izany!

Raozy iray

Nahoana araka ny eritreritrao no nanao ny raozy ho tsara tarehy aok’izany ny Ray any An-danitra?

Tsy haiko.

I Neny mihazona raozy iray

Satria tiany isika hahazo fifaliana rehefa mahita azy ireny.

Ankizivavy miaraka amin’ny raozy

Tahaka ity hira ity izany! “Faly aho miaina amin’ny tontolo soa ’zay noharian’ny Ray mba ho ahy.”

Reny sy ny zanaka vavy mijery ny zaridaina

Neny: Izany no antony tsy hiraharahiako ny asa mafy. Mitonddra fifaliana ho ahy ireo voninkazo.

Emily: Mampahatsiahy antsika ny fitiavan’ny Ray any An-danitra izy ireo!

PDF

Sary nataon’i Alyssa M. Gonzalez

  • Bokin-kiran’ny ankizy, 16.