2024
Vavaka ho an’i Alejandro
Nôvambra 2024


“Vavaka ho an’i Alejandro,” Namana, nôvambra 2024, 32–33.

Vavaka ho an’i Alejandro

“Fantatr’i Jesoa ve hoe manao ahoana izany voan’ny homamiadana izany?” Hoy i Gerardo nanontany.

Nitranga tany El Salvador ity tantara ity.

Nikorisarisa tamin’ny patin à roulettes teo amin’ny tohatra teo anoloan’ny tranony i Gerardo. Teo amin’ny lalana fidirana ny trano ny fiaran’i Mama. Nidika izany fa tafaverina avy tany amin’ny dokotera izy sy i Alejandro zokiny lahy. Nesorin’i Gerardo ny patin à roulettes ary nihazakazaka haingana nankany an-trano izy.

“Gerardo a!” Hoy i Mama niantso. “Aty izahay!”

Nankao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny i Gerardo. Nandry teo amin’i seza lava i Alejandro. Nipetraka teo akaikiny i Mama. Nitebiteby ny fahitana azy.

Nitebiteby koa i Gerardo. Tamin’ny herinandro lasa no nahafantaran’izy ireo fa voan’ny homamiadana i Alejandro. Narary mafy izy.

Saingy nipetraka i Alejandro ary nitsiky rehefa niditra i Gerardo. “Manahoana! Tsara ve ny andronao androany?”

“Eny, fa nanao ahoana ny tany amin’ny dokotera?” Hoy i Gerardo nanontany.

“Nilaza izy fa tsy maintsy hodidina aho,” hoy i Alejandro.

Nanetsika ny lohany i Mama ho fanekena izany. “Saingy any amin’ny hôpitalin’ny ankizy ireo dokotera tsara indrindra afaka manampy azy. Noho i Alejandro efa 14 taona dia tsy afaka ny hokarakaraina any izy satria efa lehibe loatra. Tsy maintsy mitady toerana hafa isika.”

Tsy nahazo aina i Gerardo. Inona no hitranga raha tsy mahita fanampiana ho an’i Alejandro izy ireo? Hiharatsy ve ny homamiadan’i Alejandro?

Nandeha tany an’efitranony i Gerardo. Nila nieritreritra izy.

Nianatra i Gerardo tao amin’ny Kilonga fa hihaino azy foana ny Ray any An-danitra. Fantatr’i Gerardo fa afaka mangataka fanampiana Aminy foana izy.

Ary dia nandohalika teo akaikin’ny fandrianany izy sy nampifanindry ny sandriny. “Ray any An-danitra malala ô, ampio i Alejandro raha sitrakao,” hoy izy nivavaka. “Mba ampio izahay hahita dokotera izay afaka manao ilay fandidiana.”

Zazalahy misakafo hariva

Tsy ela dia niantso azy mba hisakafo hariva i Mama. Nanao pupusas izy, izay tena tian’i Gerardo indrindra. Naka ampahany, izay tonga dia nataony indray am-bava, tamin’ilay tortilla matevina natono feno fromazy sy tsaramaso izy. Saingy mbola nahatsapa ho feno tetibety momba ny rahalahiny izy.

Kely fotsiny no nohanin’i Alejandro tamin’ilay pupusa anjarany. Nikentrona izy ary tsy dia afaka nihetsika firy.

Tsy maintsy ho nahatsikaritra izany koa i Mama. “Hijery horonan-tsary iray an’ny Fiangonana ve isika?” hoy izy nanontany. Tian’izy ireo ny mijery horonan-tsary momba an’i Jesoa Kristy rehefa mahatsapa alahelo izy ireo.

“METY IZANY.” Nanadio ny latabatra avy nihinanana i Gerardo teo am-panomanan’i Mama ilay horonan-tsary. Nipetraka izy rehetra mba hijery izany avy eo.

Nivavaka tao amin’ny saha iray teo akaikin’ny hazo iray i Jesoa Kristy tao anatin’ilay horonan-tsary. Fantatr’i Gerardo izany tantara izany. Tamin’ny fotoana nijalian’i Jesoa talohan’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana izany.

Nahatsapa fahatoniana sy fiadanana i Gerardo rehefa tapitra ilay horonan-tsary. Saingy nanana fanontaniana izy. “Nahoana i Jesoa no tsy maintsy tena nijaly toy izany?” hoy izy nanontany.

Niara-nofihinin’i Mama izy sy i Alejandro. “Nisafidy ny hahatsapa ny fijaliana i Jesoa satria tia antsika Izy. Nahatsapa ny fanaintainana rehetra izay iainantsika izy.”

Nijery an’i Alejandro i Gerardo. “Fantatr’i Jesoa ve hoe manao ahoana izany voan’ny homamiadana izany?”

“Eny, mahafantatra izany Izy,” hoy i Mama. “Fantany fa tena sarotra izany. Ary satria fantany hoe manao ahoana izany, dia fantany ny fomba hanampiana antsika.”

Nahatsapa hafanana tao anatiny i Gerardo, toy ireny nofonosina bodofotsy lehibe ireny. Mahafantatra sy tia ny fianakaviany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Fantatr’ Izy ireo ny fomba hanampiana an’i Alejandro.

Rehefa nody avy tany an-tsekoly i Gerardo ny ampitson’io dia nahita an’i Mama nanomana entana izy.

“Misy vaovao mahafaly!” hoy izy. “Niresaka tamin’ilay dokotera tao amin’ny hôpitalin’ny ankizy aho. Hanampy an’i Alejandro izy ireo. Hodidina izy rahampitso.”

Nofihinin’i Gerardo mafy i Mama. “Manampy antsika ny Ray any An-danitra! Afaka mivavaka sy misaotra Azy ve isika?”

“Hevitra tena tsara,” hoy i Mama. “Andao haka an’i Alejandro.”

Fianakaviana mivavaka

Nahatsapa fiadanana i Gerardo rehefa niara-nivavaka izy ireo. Nandre ny vavaka nataony ny Ray any An-danitra! Hahazo ny fandidiana ilainy Alejandro ankehitriny. Fantatr’i Gerardo fa takatr’i Jesoa Kristy ny zavatra niainan’izy ireo. Ary hanampy azy ireo foana Izy mandritra ireo fitsapana lalovan’izy ireo.

PDF

Sary nataon’i Ricardo Guerrero