2024
Ilay karineko fanaovana sary momba ny tempoly
Nôvambra 2024


“Ilay karineko fanaovana sary momba ny tempoly,” Namana, nôvambra 2024, 16–17.

Nosoratanareo

Ilay karineko fanaovana sary momba ny tempoly

Manahoana e!

Brayden no anarako ary mipetraka aty Utah, États-Unis aho.

Hiresaka aminareo momba ny tanjona iray nataoko fony aho 10 taona.

Nanomboka tamin’ny dia iray nitsidihana ireo ray aman-drenibeko ny zava-drehetra. Nanana bokin’ny tempoly ireo ray aman-drenibeko tao amin’ny efitrano fandraisam-bahinin’izy ireo, ary tiako ny mijery ireo sary. Nanapa-kevitra aho fa mba te hanao ny bokin’ny tempoly ho ahy manokana. Nametraka tanjona lavitr’ezaka aho mba hanao ny sarin’ireo tempoly rehetra.

Sarin’ny Tempolin’i Barranquilla Colombie sy ny Tempolin’i Sapporo Japon

Nanapa-kevitra hanao ny sarina tempoliko voalohany aho. Naka pensilihazo iray aho, dia nijery sary an-jotra ary nanao sary ny Tempolin’i St. George Utah. Avy eo dia nanao sary ny Tempolin’i Logan Utah sy ny Tempolin’i Manti Utah aho. Nanoro hevitra ahy ny reniko mba hampiasa karine lehibe fanaovana sary ho an’ireo tempoliko. Ankehitriny, herintaona sy tapany aty aoriana, eo am-panaovana ny tempoly laharana faha-81 aho, dia ny Tempolin’i Reno Nevada. Tempoly miisa 105 no mbola ilaiko atao sary!

Misy fotoana aho te hilavo lefona amin’ny tempoly izay ataoko sary. Tiako ny mivavaka sy mangataka amin’ny Ray any An-danitra rehefa mitranga izany, mba hanampy ahy ao anatin’ireo ampahany sarotra.

Sarin’ny Tempolin’i Helena Montana

Ny zavatra mahafinaritra momba io tanjona io dia ny fomba nanampian’izany ireo zandriko lahy telo hitia kokoa ny tempoly. Manao ny sarin’ireo tempoly izay tiany hotsidihana indray andro any i Kade zandriko lahy, ary ireo rahalahiko hafa dia manao sarina tempoly ho an’ireo mpampianatra sy namana.

Nanampy ahy hahita ny sasany amin’ireo zavatra mahaliana ahy ihany koa ny tanjoko. Tiako ny mamorona! Nanomboka namorona maodely 3D ana tempoly aho tamin’ny fotoam-pahavaratra lasa teo, ary manantena ny ho lasa mpahay maritrano aho rehefa lehibe.

Sarin’ny Tempolin’i Durban, Afrique du Sud

Nanampy ahy hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa io tanjona io. Mahatsapa ny Fanahy aho isaky ny manao sarina tempoly. Fantatro fa tranon’ Andriamanitra ny tempoly. Vao haingana aho no afaka niditra tao amin’ny Tempolin’i Payson Utah sy ireo hafa. Mahatsapa lalina tokoa ny Fanahy aho rehefa manao ny batisa any amin’ny tempoly.

Sarin’ny Tempolin’i Payson Utah

Isaky ny mahita tempoly aho dia manampy ahy hatanjaka kokoa amin’ny fisafidianana ny tsara izany.

PDF

Sary nataon’i Brayden B.