“Ry namana malala,” Namana, nôvambra 2024, fonony eo anoloana anatiny.
Ry namana malala,
Miresaka aminao amin’ny alalan’ireo mpaminany ny Ray any An-danitra amin’izao fotoana izao. Afaka maheno hafatra avy Aminy ianao amin’ny alalan’ny mpaminany sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana indroa isan-taona mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Te hanampy anao izy ireo! Avadiho ny pejy hahitana ny zavatra nolazain’ny mpaminany. Jereo ny pejy 3-7 raha te hahita misimisy kokoa ianao.
Nijery ny fihaonambe niaraka tamin’ny fianakaviany tany Indonésie i Indira. Jereo ao amin’ny pejy 8 ny zavatra nianarany ka nahatonga azy ho faly.
Amim-pitiavana,
Namana
P.S. Soraty ary lazao anay ny fomba anarahanao ny mpaminany!