“Mifandray amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana,” Namana, nôvambra 2023, 21.
Zavatra mahafinaritra
Mifandray amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana
Mampifandray antsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo fanekempihavanana. Afaka mahazo fanampiana sy tanjaka avy any an-danitra isika amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanantsika. Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson: “Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izaho sy ianao, ny fifandraisantsika Aminy dia lasa tena akaiky kokoa noho ny talohan’ny fanekempihavanantsika. Noho ny fanekempihavanana [ataontsika Aminy], dia tsy ho reraka mihitsy Izy amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika.”
Manaova rojo vita amin’ny alalan’ireo mason-drojo taratasy mba hampahatsiahivana anao ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisanao! Ahantony amin’ny toerana izay ahafahanao mahita azy matetika izany avy eo.
-
Maneteza tapa-taratasy enina sahabo ho 2.5 santimetatra sy 20 santimetatra.
-
Soraty eo amin’ny tapa-taratasy tsirairay ny iray amin’ireo fomba ahafahanao mitandrina ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisanao. (Mety hanampy ny lisitra eto ambany.)
-
Alaovy ilay tapa-taratasy lavalava voalohany ary araiketo miaraka ireo tendrony mba hanaovana faribolana. Ampidiro ao anatin’ilay faribolana ny tapa-taratasy manaraka ary akombony amin’ny ruban adhésif ireo tendrony. Tohizo ny fampidirana mason-drojo mandra-pahavitanao rojo!
-
Hahatsiaro an’i Jesoa Kristy mandrakariva
-
Hanompo an’ Andriamanitra sy hitandrina ireo didiny
-
(Jereo ny Môzià 18:10 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77)
-
Hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ary ho ohatra
-
(Jereo ny Môzià 18:9 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79)
-
Hanampy ny hafa.
-
(Jereo ny Môzià 18:8–9)
Sary nataon’i Katy Dockrill