2024
I Môrmôna sy ireo takela-bolamena
Nôvambra 2024


“I Môrmôna sy ireo takela-bolamena,” Namana, nôvambra 2024, 26–27.

Tantara ao amin’ny soratra masina

I Môrmôna sy ireo takela-bolamena

I Môrmôna mianatra momba ireo takelaka

Sary nataon’i Andrew Bosley

Mpaminany i Môrmôna. Rehefa feno 10 taona izy dia nilaza taminy ny mpitarika iray nantsoina hoe Amarôna mba hahatsiaro ny zava-nitranga tamin’ny vahoakany mba hahafahany manoratra izany eo amin’ireo takela-bolamena any aoriana. Teo amin’ireo takelaka ireo no nanoratan’ireo mpaminany Nefita.

Fanafenana sy fitadiavana ireo takelaka

Nafenin’i Amarôna ireo takelaka satria maro ny olona ratsy fanahy. Nolazainy tamin’i Môrmôna ny toerana hahitana azy ireo. Rehefa lehibe i Môrmôna dia azony ireo takela-bolamena. Narovany izy ireo ary nanoratra momba ny vahoakany izy.

I Môrmôna manoratra eo amin’ireo takelaka

Mbola ratsy fanahy ny olona saingy niezaka nampianatra azy ireo i Môrmôna. Nanoratra momba ny Mpamonjy teo amin’ireo takelaka ihany koa izy. Afaka mamaky ireo tenin’ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika ankehitriny noho i Môrmôna.

Ankizy mamaky ny Bokin’i Môrmôna.

Na dia mbola kely aza i Môrmôna tamin’izany dia natoky azy ny Tompo. Afaka manara-dia ny Tompo dieny mbola kely ihany koa ianao!