2024
Fihaonamben’ Ny Fiangonana maneran-tany niavaka
Nôvambra 2024


“Fihaonamben’ Ny Fiangonana maneran-tany niavaka,” Namana, nôvambra 2024, 8–9.

Fihaonamben’ Ny Fiangonana maneran-tany niavaka

Angamba ny fanampiana olona no mety hahafaly azy, tahaka ny nolazain’ny Filoha Nelson.

Nitranga tany Indônezia ity tantara ity.

Mpirahavavy miady saribakoly

“Aminah, ahy iny!” Hoy i Indira nihiakiaka. Nosintoniny teny amin’ny zandriny vavy ilay saribakoly.

“Ry izy roa vavy, handeha aho,” hoy i Neny niantso. “Hendre tsara eo amin’i Dada.”

Nitraka i Indira. “Fa ho aiza ianao?”

“Ho any an-tsena. Hividy sakafo aho mba hahandro zavatra miavaka ho an’ny rahampitso.” Nanofahofa tanana nanao veloma i Neny.

Sakafo miavaka hoe? “Fa maninona?” Nandeha nitady an’i Dada i Indira. “Nahoana no miavaka ny rahampitso?” hoy izy nanontany.

Nitsiky i Dada. “Hijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany isika rahampitso! Tena miavaka izany satria hihaino ny mpaminany sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana izay handray fitenenana isika. Hiteny amintsika izay tian’ny Ray any An-danitra ho henontsika izy ireo.”

Rehefa tonga tao an-trano i Neny dia napetrany ny sakafo. Namafa gorodona i Dada.

Ray aman-dreny manadio trano.

“Indira a, afaka manampy an’i Aminah hamoaka ny akanjony ho an’ ny rahampitso ve ianao?” Hoy i Neny nanontany.

Nikentrona i Indira. “Nahoana aho no tsy maintsy manampy azy?”

“Mba ataovy izay angatahiko azafady,” hoy i Neny.

Nimonomonona i Indira. Nitari-tongotra izy nandeha nanampy an’i Aminah.

Ny ampitson’iny dia nofohazin’ny fofon-tsakafo matsiro i Indira. Nitsambikina niala teo am-pandriana izy ary nihazakazaka nankany an-dakozia. Nanamboatra hen’omby rendang sy satay i Neny mba hohanina ho sakafo antoandro rehefa kelikely! Tena hatsiro izany.

Fianakaviana mijery fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Tsy ela akory dia nanomboka ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Nipetraka niaraka tamin’ny fianakaviany i Indira mba hijery ny fahitalavitra. Nihaino ny amboaram-peo nihira izy. Nahare olona niresaka momba ny tempoly sy ny soratra masina ary i Jesoa Kristy izy.

Ny Filoha Russell M. Nelson no mpandahateny farany. Niresaka momba ny fomba anampian’ny Fiangonana ny olona manerana izao tontolo izao izy.

“Tretriky ny hafaliana tokoa isika rehefa manampy ireo rahalahy sy anabavintsika,” hoy izy.

Nieritreritra momba izany i Indira. Nahafaly azy ve ny nanampy olona? Nihaino foana izy. Nilaza ny Filoha Nelson fa ny fiainana ny didy lehibe faharoa dia afaka manampy antsika hitovy amin’i Jesoa Kristy.

Nihinana ilay sakafo namboarin’i Neny izy ireo rehefa tapitra izany. Nanohy nieritreritra momba ny lahatenin’ny mpaminany i Indira.

Fianakaviana miara-misakafo antoandro

“Inona no didy lehibe faharoa?” hoy izy nanontany.

“Tiava ny namanao tahaka ny tenanao,” hoy i Dada.

Nieritreritra momba ny olona manerana an’izao tontolo izao izay nampian’ny Fiangonana i Indira. “Ahoana no ahafahako manampy raha mipetraka lavitra ireo namako?”

“Ny namanao dia ireo olona rehetra manodidina anao,” hoy i Neny. “Tahaka ny olona ao amin’ny fianakavianao.”

Niondrika i Indira. Tsy dia tsara fanahy tamin’ny fianakaviany izy indraindray.

Saingy mety hahafaly azy ny fanampiana azy ireo, tahaka ny nolazain’ny Filoha Nelson. Fomba iray nahafahany nanaraka an’i Jesoa izany. Te hiezaka izy!

Niezaka ny ho tsara fanahy kokoa tamin’ny fianakaviany i Indira nandritra ny ambin’ny herinandro. Niara-nilalao tamin’i Amirah izy. Nizara ireo kilalaony izy. Nataony tsisy fitarainana izay nangatahin’i Neny sy i Dada. Rehefa nanampy ny fianakaviany i Indira dia faly izy ireo. Ary nahafaly azy koa izany.

Mpirahavavy miara-milalao

Marina ny no nolazain’ny Mpaminany. Nitondra fifaliana ho azy ny fanampiana ny hafa!

Ankizivavy mandehandeha eny ivelany
PDF

Sary nataon’i Judi Abbot