2025
Mandre ny Fanahy Masina
Martsa 2025


“Mandre ny Fanahy Masina,” Namana, martsa 2025, 40–41.

Mandre ny Fanahy Masina

“Inona ary ny zavatra nianarako tao amin’ny Kilonga raha fantatrareo?” hoy i Chim.

Tantara marina avy any Filipina.

Sarina radio

Nahiratr’i Chim ny masony mbola te hatory. Tonga ihany ny faran’ny herinandro nony farany!

“Mifohaza amin’izay fa sao dia tara isika,” hoy i Neny niantso.

Naniry ny hatory elaela kokoa i Chim, saingy andro fiantsenana androany. Nila nanampy an’i Neny hividy sakafo ho an’ny herinandro izy. Noho izany dia nitsangana izy ary nisakafo maraina haingana.

Nanao zavatra betsaka ho an’i Chim sy ireo rahalahiny anankiroa i Neny. Tena sahirana niasa izy ary tsy nanana fotoana firy hijanonana tao an-trano. Niara-niasa i Chim sy ireo rahalahiny mba hanao ny ankamaroan’ireo raharaha. Faly nanampy i Chim.

Rehefa niverina avy tany an-tsena i Chim sy i Neny dia tsy maintsy nandeha niasa i Neny. Nandritra ny fotoana tsy naha-teo azy dia niomana ho an’ny Alahady i Chim sy ireo rahalahiny. Nomanin’i Chim ireo kiraro sy pataloha ary lobaka izay hanaovany any am-piangonana rahampitso. Nanampy azy hipasoka ny lobany i Robin zokiny lahy. Avy eo dia nikarakara sakafo hariva izy ireo.

Nanadio ny lakozia i Chim rehefa tonga tao an-trano i Neny. Tena reraka ny fahitana azy.

“Ity Neny a!” Nanolotra lovia baolina nisy sakafo mafana hohaniny i Chim.

Nitsiky i Neny. “Misaotra tamin’ny fanampianao androany. Ohatra an’ny matsiro ny fijeriko azy izany!”

Ny ampitso marainan’io dia nifoha maraina i Chim ary niomana ny ho any am-piangonana. Nientanentana izy ny hahita ireo namany ao amin’ny Kilonga sy hianatra momba an’i Jesoa Kristy.

“Neny a!” hoy izy niantso moramora, nandondona ny varavarany. “Hiaraka aminay any am-piangonana ve ianao androany.”

“Tsy afaka aho,” hoy i Neny. “Tsy maintsy miasa aho anio tolakandro.”

“Eny ary.” Nalahelo kely i Chim. Efa ho herintaona izay no lasa hatramin’ny fotoana farany niarahan’i Neny tamin’izy ireo tany am-piangonana. “Mitandrema tsara rehefa mitondra fiara dia mirary andro mahafinaritra ho anao,” hoy izy taminy.

“Efa vonona ve?” hoy i Mattew zandrilahiny.

“Eny!” Nanaovan’i Chim ny kirarony dia nihazakazaka nivoaka ny varavarana niaraka tamin’ireo rahalahiny izy mba handray fiara fitateram-bahoaka.

Faly i Chim rehefa nandeha niditra ny trano fiangonana. Niezaka nieritreritra momba an’i Jesoa Kristy izy nandritra ny fanasan’ny Tompo. Ary tao amin’ny Kilonga izy dia niezaka mafy nihaino ny lesona nozarain-dRahavavy Ortega.

“Androany isika dia hianatra momba ny Fanahy Masina,” hoy Rahavavy Ortega. “Mitondra hafatra ho antsika avy amin’ny Ray any An-danitra ny Fanahy Masina. Tahaka ny radio.”

Nijery ny sarin’ny radio iray nohazonin-dRahavavy Ortega ambony i Chim.

“Ny radio dia mandeha amin’ny alalan’ny fandraisana famantarana ampitaina ka mamadika izany ho onjam-peo azontsika henoina,” hoy izy nanazava. “Tsy maintsy ataonao ao amin’ny fantsona tena izy izany mba hahafahana mandre azy. Mba handrenesana ny Fanahy Masina dia mila mametraka ny fontsika sy ny saintsika ao amin’ny fantsona tena izy ihany koa isika. Ahoana no ahafahantsika manao izany?

Nieritreritra daholo ny rehetra. Dia hoy i Chim: “Amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy sy ny fitandremana ny didy.”

Nitsiky Rahavavy Ortega. “Marina izany!”

Taorian’ny fiangonana dia nanampy tamin’ny fikarakarana sakafo indray i Chim. Nahatsapa hafanana tao anatiny izy rehefa nanampy. Fantany fa nametraka ny fony tao amin’ny fantsona tena izy mba hahatsapana ny Fanahy Masina izy rehefa nanompo ny fianakaviany.

Sarin’i Neny sy ankizilahy iray miara-mahandro sakafo

Rehefa tonga tao an-trano i Neny dia nofihinin’i Chim mafy. Avy eo dia nivavaka ho an’ilay sakafo izy ireo dia nanomboka nihinana.

“Inona ary ny zavatra nianarako tany am-piangonana raha fantatrao?” hoy i Chim. Tiany ny mitantara amin’i Neny momba ny Kilonga.

“Inona?” Hoy i Neny nanontany.

“Nianatra momba ny Fanahy Masina izahay,” hoy i Chim. “Tahaka ny radio izany. Rehefa mitandrina ny didy isika dia afaka mampitodika ny fontsika amin’ny fantsona tena izy mba handre Azy.”

Nanaiky tamin’ny lohany i Neny. “Mahafinaritra izany! Dia inona ary ny ohatra amin’izany hoe fitandremana ny didy izany?”

Nitsiky i Chim. “Ampio ny neninao!” Nihomehy izy. “Tiako ianao ry Neny!”

Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Uran Duo