“Manara-dia an’i Jesoa any Madagasikara”, Namana, nôvambra 2025, 10–11.
Manara-dia an’i Jesoa any Madagasikara
Fantaro i Lauren
Manara-dia an’i Jesoa Kristy i Lauren amin’ny alalan’ny fanehoana ohatra tsara sy ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra. Indray mandeha izy dia sahirana nandritra ny kilasy fianarana momba ny fiarahamonina. Na dia sarotra nianarana aza izany, hoy izy, dia “nivavaka tamin’ Andriamanitra aho dia nomeny ahy ny fahalalana hahatakarana izany.”
Mahafaly azy ny manampy ny hafa. Hoy izy: “Mahatsapa fifaliana aho satria afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Kristy aho rehefa nanampy ny hafa Izy.”
Mombamomba an’i Lauren
Taona: 9
Avy amin’ny: Faritr’i Sofia, Madagasikara
Fiteny: Malagasy sy Frantsay
Tanjona: Ho mpanamory fiaramanidina satria tia mandeha fiaramanidina izy
Fialamboly: Milalao baolina kitra, manao kilalao miaraka amin’ny fianakaviana, ary mamaky boky
Fianakaviana: Lauren, dada, ary anadahy efatra
Ireo zavatra tiany indrindra
Tantara ao amin’ny soratra masina: Ny tantaran’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy no tantara ao amin’ny soratra masina tian’i Lauren indrindra momba Azy (jereo ny Matio 1:18–25; 2; Lioka 1:26–38; 2:1–20) satria mitantara amintsika izany fa teraka mba hamonjy antsika ny Mpamonjintsika.
Voankazo sy legioma: Paoma sy voatavo
Sakafo: Pizza
Loko: Mavokely
Hira ao amin’ny Kilonga: “Rehefa atao batisa aho” (Bokin-kiran’ny ankizy,, 53)