“Karatra momba ny tempoly”, Namana, Martsa 2025, 12.
Karatra momba ny tempoly
Tempolin’i Salt Lake
-
Nanangana ity tempoly ity tamin’ny granita avy teo amin’ny dilan-drano teo akaiky teo ireo mpamaky lay. Nilanja 2.540kg ny vato sasany!
-
40 taona izany vao vita.
-
Nisy mpahaikanto dimy nantsoina hamita iraka mba handalina zava-kanto tany Frantsa. Taty aoriana dia nanao sary hosodoko teo amin’ny rindrina tao anatin’ny tempoly izy ireo.
Tempolin’i Le Cap, Afrika Atsimo
-
Ity no ho tempoly fahatelo ao Afrika Atsimo.
-
Tonga teo amin’ilay faritra ireo misiônera tamin’ny 1852. Ankehitriny i Afrika Atsimo dia manana mpikamban’ny Fiangonana manakaiky ny 70.000.
-
Ny tempoly akaiky indrindra dia eo amin’ny 1.280 km eo ho eo, any Durban.
Tempolin’i Lima Pérou
-
Misy tilikambo enina ity tempoly ity. Mirefy 34 metatra ny avo indrindra amin’izany.
-
Nandeha fiara be fitateram-bahoaka nandritra ny 26 ora ny Olomasina sasany mba hanatrika ny fanokanana izany.
-
Rehefa notokanana ny Tempolin’i Lima Pérou Los Olivos dia lasa tanàna voalohany ivelan’i Etazonia hanana tempoly roa i Lima.
Sary nataon’i Rachel Erickson