“Fikarohana ao amin’ny soratra masina,” Namana, martsa 2025, 13.
Zavatra mahafinaritra
Fikarohana ao amin’ny soratra masina
Ampio ireo misiônera tany am-piandohana ireo hahita ny lalany hamakivaky ny tanàna amin’ny alalan’ny famaliana ireo fanontaniana momba ny zavatra nampianarin’i Jesoa Kristy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Vakio ireo andinin-tsoratra masina raha toa ka mikatso ianao!
-
Ny hasarobidin’ny inona no lehibe eo imason’ Andriamanitra?
(Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10.)
-
fanahy
-
ny asa nanirahana ny lehilahy sy ny vehivavy
-
-
Anarana hafa iantsoana an’i Jesoa Kristy ny hoe Alfa sy inona?
(Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1.)
-
Omega
-
Zanakalahy
-
-
Ny fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra dia vaovao sy inona?
(Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22:1.)
-
mahatoky
-
maharitra mandrakizay
-
-
Ny zavatr’iza no mila “hafointsika”?
(Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10.)
-
Ity izao tontolo izao ity
-
ny fontsika
-
-
Ahoana no tokony hanaovana ny zava-drehetra ao amin’ny Fiangonana?
(Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:13.)
-
amim-boninahitra
-
amim-pilaminana
-
Sary nataon’i Zhen Liu