2025
Ahoana no ahenoanao Azy
Martsa 2025


“Ahoana no ahenoanao Azy,” Namana, martsa 2025, 18–19.

Ahoana no ahenoanao Azy

Misaintsaina [naoty mainty] = 78–83

Hirao tsirairay ireo ampahany, avy eo atambaro

1. Rehefa hiteny ny Ray, moa ve mahatsapa ianao?

Rehefa hivavaka ianao, moa ny Fanahy renao?

Rehefa handalina ianao dia iza no hanazava?

Rehefa hangata-pamelana, ny Ray ve mampisava?

Ahoana no ahalalanao fa ny Ray tia tokoa?

Rehefa manirery ianao moa hahatsapa Azy eo koa?

Raha samy handre Azy isika amin’ny fombany avy,

Ahoana no ahenoanao Azy?

2. Ny fo sy saina

mahazo aina.

Mitsiky, tomany.

Ny ahiahy fafany.

Feo tsara tadidy,

finoana hisafidy.

Madio an-tsaina.

Fiadanam-po sy saina.

Fiadanam-po sy saina.

Mozika amin’ny endrika PDF