2025
Tonga soa ry namana!
Martsa 2025


“Tonga soa ry namana!” Namana, martsa 2025, 1.

Tonga soa ry namana!

Pejy amin’ny endrika PDF

Fantatrao ve ny fomba hihainoana rehefa miresaka aminao ny Fanahy Masina? Mitaky fampiharana izany!

Vakio ny zavatra nianaran’i Boston momba ny Fanahy Masina tao anaty ala trôpikaly (pejy 4). Afaka manampy anao amin’ny lafim-piainanao rehetra ny Fanahy Masina. Afaka mivavaka mihitsy aza ianao mba hangataka fanampiana amin’ny enti-modinao tahaka an’i Margo ao amin’ny pejy 33.

Mivavaha sy mihainoa hatrany! Eo ny Fanahy Masina hanampy anao.

Amim-pitiavana,

Namana

P.S. Manoràta dia tantarao anay ny momba ny fotoana iray izay nahatsapanao ny Fanahy Masina.