2025
Ho an’ny ankizy lehibe
Martsa 2025


“Ho an’ny ankizy lehibe”, Namana, martsa 2025, 34–35.

Ho an’ny ankizy lehibe

Teny avy aminao

Misy teny nindramina avy amin’ny Filoha Susan H. Porter eo amin’ny rindriko. Izao no lazain’ilay izy: “Masina ny fiainantsika ary misy dikany sy manana tanjona. Samy [zanakavavy na zanakalahin]’ Andriamanitra tiany isika tsirairay.”* Fantatro fa miraharaha antsika tsirairay avy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ava B., 10 taona, Arizona, Etazonia

Indray andro dia nanasa ahy hilalao baolina kitra ny namana iray. Teo am-panaovana ny akanjo fanaovako fanatanjahantena aho no nahatadidy fa hay Alahady ny andro! Nosoloiko akanjo fitafiko rehefa Alahady izany dia nandeha tany am-piangonana aho. Faly be tokoa aho.

Adrián E., 11 taona, Département du Beni, Bolivie

Mitsongo dia an’i Oliver aho

Nanampy an’i Joseph Smith tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna i Oliver Cowdery. Tany Harmony, Pennsylvanie, Etazonia izy ireo no nihaona. Mahita an’i Oliver eo amin’io lalana feno olona mifanaretsaka io ve ianao?

Fandokafana sy fampifandraisana

Mampiasà loko roa samy hafa ary mifandimbiasa amin’ny namana iray manao tsipika mitsivalana na mitsangana eo anelanelan’ny teboka roa. Rehefa manao sarina tsipika izay mahavita efa-joro iray ianao dia lokoy ny ao anatin’ny efa-joronao. Tohizo hatrany mandra-pifandrain’ireo teboka rehetra!

Isao amin’izay ireo efa-joro izay ny lokonao no ao anatiny. Milazà zavatra tsara iray momba ny olona iray isaky ny efa-joro isainao!

Piozila momba ny mpamaky lay

Azonao vinaniana ve hoe nanaovana inona ireo zavatra ireo tamin’ny andron’ireo mpamaky lay teo aloha?

  1. famakiana voankazo amin’akorany

  2. fanaovana dibera

  3. fanaovana milkshake

  4. fametrahana kiraro

  5. fanamboarana zavatra vita amin’ny hazo

  6. fametrahana telefaonina

Pejy amin’ny endrika PDF misy teny nindramina sy sahanasa

Sary nataon’i Brian Michael Weaver

  • “Lesona eo am-pantsakana,” Liahona, mey 2022, 59–60.