“I Anika be herimpo,” Namana, martsa 2025, 44–45.
I Anika be herim-po
Tantara marina avy any Etazonia.
“Vonona ve ianao?” Hoy i Neny nanontany.
Nanaiky tamin’ny lohany i Anika ary namihina ilay bera kilalaony izy. Nentiny tany am-piangonana ilay izy. Nanantena izy fa hanampy azy hahatsapa ho be herim-po izany.
Nanana anjara holazaina mandritra ny fandaharanasan’ny Kilonga i Anika androany. Saingy vaovao tao amin’ilay firenena izy. Tsy dia niteny Anglisy firy izy. Saika holazainy amin’ny teny Espaniôla ilay izy noho izany. Hahazo izany ve ny olona rehetra?
Nofihinin’i Mami izy. “Fantatro fa matahotra ianao. Kanefa tsarovy fa hiaraka aminao ny Fanahy Masina! Tsy irery ianao.”
Nampahazo aina kely an’i Anika izany. Nitsiky tamin’ilay bera kilalaony izy. Dia ho telo izany izahay ko!, hoy izy nieritreritra. Izaho sy ny bera kilalaoko ary ny Fanahy Masina!
Nandritra ny fandaharanasan’ny Kilonga dia niresaka momba ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’io taona io ny kilasin’i Anika. Nandeha tsirairay teo amin’ny polipitra izy ireo. Kely sisa dia ho anjaran’i Anika.
Nofihininy ny bera kilalaony. Afaka ny ho be herim-po izy!
“Mandalina ny soratra masina miaraka amin’ny Avia, hanaraka Ahy isaky ny alina ny fianakaviako,” hoy i Anika tamin’ny teny Espaniôla. Nifoka rivotra mafy izy. “Nianatra ny fomba namelan’i Joseph Smith ireo izay nandratra azy izahay. Afaka mamela ny hafa koa aho. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.”
Niverina teo amin’ny toerany i Anika. Nitsiky taminy sy ny bera kilalaony ny mpampianany. “Nety tsara ny nataonao,” hoy izy nibitsibitsika. “Samy tena be herim-po ianareo roa!”
Nahatsapa hafanana tao am-pony i Anika. Be herim-po izy! Ary fantany fa niaraka taminy ny Fanahy Masina.
Sary nataon’i Katie Rewse