“Sahanasa momba ny Avia, hanaraka Ahy,” Namana, martsa 2025, 22–23.
Sahanasa momba ny Avia, hanaraka Ahy
24 febroary–2 martsa: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18
Sarin’ny tena manokana
“Lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10). Midika izany fa manan-danja amin’ny Ray any An-danitra ny olona rehetra, anisan’izany ianao! Manaova sarin’ny tenanao. Andramo haingoana amin’ny fitaovana samihafa fanaovana asa kanto izany! Soraty eny amin’ny farany ambony ny hoe “Tia Ahy Andriamanitra.”
3–9 martsa: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19
Sofina tia mihaino
Mangataka antsika mba hihaino Azy i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23). Tsaroan’ireo olona mahay mihaino tsara ny zavatra ren’izy ireo. Mipetraha dia manaovana faribolana. Mibitsibitsika teny iray ao amin’ny filazantsara ny olona iray. Mamerina izany ilay olona manaraka ary manampy teny vaovao iray hafa. Ataovy miampitapita manaraka ilay faribolana izany mandra-pahavitan’ny rehetra manampy teny iray hotadidiana!
10–16 martsa: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22
Tilikambon’ny Famerenana amin’ny laoniny
Naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny tahaka ny nanaovany izany fony Izy teto an-tany ny Fiangonany amin’izao fotoana izao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20). Soraty eo amin’ireo kaopy ireo fitahiana ananantsika izay isan’ny mandrafitra ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, toy ny fisoronana, batisa, mpaminany. Avy eo dia ampifampitaingeno mba ho lasa tilikambo avo be ireo kaopinao!
17–23 martsa: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26
Hiran’ny fo
Tian’ny Ray any An-danitra rehefa mihira avy ao am-pontsika isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12). Misafidiana hiran’ny Kilonga vitsivitsy mba hiaraha-mihira. Manaova fihetsika mifanaraka amin’ny tonon-kira.
24–30 martsa: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28
Milaza ny mpaminany hoe
Mandray fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho an’ny Fiangonana ny mpaminany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:7). Ataovy printy na ataovy sary ny mpaminany. Soraty eny amin’ny farany ambony ny hoe “Milaza ny mpaminany hoe …” Soraty na ataovy sary ireo zavatra nampianarin’ny mpaminanintsika antsika.
Sary nalain’i Christina Smith