“Ireo tenin’ny Filazantsarako”, Namana, Martsa 2025, 6.
Ireo tenin’ny Filazantsarako
Tadiavo ato amin’ity laharana Namana ity ireo teny sy andian-teny ireo!
Ôrdônansy
Ny ôrdônansy dia asa masina atao amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Ohatra vitsivitsy amin’izany ny fanasan’ny Tompo, ny batisa ary ny fandraisana ho mpikambana.
Famelana ny fahotana
Rehefa mibebaka sy mandray ny famelana ny fahotana isika dia voavela amin’ireo safidy ratsy nataontsika. Azo tanterahina izany noho i Jesoa Kristy.
Malemy fanahy
Ny hoe malemy fanahy dia manetry tena, malemy paika, manam-pahavononana ary mankatò. Naneho ohatra momba izany i Jesoa Kristy fony Izy teto an-tany.
Olomasina
Ao amin’ny Testamenta, ny olomasina dia ireo rehetra izay nisafidy ny hatao batisa sy hiditra ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy (jereo ny Asan’ny Apostoly 9:13). Mampiasa teny mitovy amin’izany isika ho an’ireo izay misafidy ny hatao batisa ary ho lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonany amin’izao fotoana izao. Ny olomasina dia olona izay manara-dia an’i Jesoa Kristy.
Sary nataon’i Madison Baker