“Margo sy Paolo,” Namana, martsa 2025, 33.
Margo sy Paolo
Fanampiana amin’ny enti-mody
Daiin!
“Mm … milamina tsara ve ianao?
Tsia! Sarotra loatra ity enti-mody ity. Tsy ho azoko mihitsy ity!
Afaka manampy anao angamba aho.
Tsy mino aho hoe hanampy izany. Tsy marani-tsaina tahaka anao aho.
Vitanao io. Mila fanampiana kely fotsiny ianao—ary tsy maninona izany! Nahazo fanampiana avy tamin’i Papai aho.
Nangataka tamin’ny Ray any An-danitra koa aho hanampy ahy hahatakatra. Te hivavaka ve ianao?
Hevitra tsara izany.
Rehefa afaka kelikely …
Hitanao izany? Fantatro fa ho azonao ilay izy.
Misaotra nanampy ahy!
Sary nataon’i Katie McDee