2025
Ampianaro momba ny Soratra Masina aho
Martsa 2025


“Ampianaro momba ny soratra masina aho”, Namana, martsa 2025, 46–47.

Ireo zavatra fototra ao amin’ny filazantsara

Ampianaro momba ny Soratra Masina aho

Ankizilahy kely mipetraka eo ambonina antontam-boky

Nosoratan’ireo mpaminany ny soratra masina mba hampianatra antsika momba ny filazantsara.

Miresaka amintsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba hahatongavana tahaka Azy ny soratra masina.

Tian’i Jesoa hianatra avy amin’ny soratra masina isika.

Hitahy ahy ny Ray any An-danitra rehefa manaraka ny zavatra ampianarin’ny soratra masina aho.

Tadiavo ireo zavatra tsy mitovy

Ireo namana ireo dia milalao an-tsehatra tantara iray ao amin’ny soratra masina. Firy ny zavatra hitanao ao amin’ilay sary eo ambony kanefa tsy hita ao amin’ilay sary eo ambany?

Sahanasa tadiavo ireo diso izay ahitana ankizy manao fanamiana toy ireo maherifo ao amin’ny soratra masina.

Sary nataon’i Corey Egbert