“Fanampiana avy any an-danitra,” Namana, martsa 2025, 20–21.
Fanampiana avy any an-danitra
Namboarina avy amin’ny “Te ho sambatra ve ianareo?” Liahona, nôv. 2023, 46–48.
Tao anatin’ny fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainako aho no nantsoina ho eveka. Raim-pianakaviana vao herotrerony aho, ary sahirana ara-bola izahay. Tena reraka aho. Sarotra ho an’ny vadiko koa izany.
Indray alahady dia nandray ny fanasan’ny Tompo ny vady malalako. Nanampy azy ho tonga saina tamin’ny zavatra iray ny Fanahy. Maro tamin’ireo olana natrehanay no voavaha tamin’ny fotoana iray nandritra ny antsoko.
Mahafantatra ny zavatra ilaintsika ny Tompo. Rehefa mangataka antsika mba hanompo Izy dia fantany ny zavatra hanampy antsika indrindra. Te hitahy antsika Izy. Ary hanome antsika ireo fitahiana ireo Izy rehefa manompo Azy amim-pahatokiana isika.
Te ho sambatra ve ianareo? Mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Manasa antsika hanatona Azy ny Mpamonjy antsika. Mitondra ny enta-mavesatsika Izy. Mahatonga ny fiainantsika ho mora kokoa sy faly kokoa i Jesoa Kristy. Ary fenoiny fifaliana isika.
Fotoana hanaovana tafa sy dinika!
Anontanio ny olona iray ao amin’ny fianakavianao ny fomba nitahian’ny Ray any An-danitra azy ireo. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy azonao hanombohana:
-
Afaka miresaka amiko momba ny fotoana iray nitahian’ny Ray any An-danitra ny fianakaviantsika ve ianao?
-
Ahoana no fomba tianao hanampiana ny hafa? Inona avy ireo fitahiana hitanao rehefa nanompo ny hafa ianao?
-
Nahoana ianao no manara-dia an’i Jesoa Kristy? Nanampy anao ho faly tamin’ny fomba ahoana ny fanarahana Azy?
Sary nataon’i Turine Tran