“Mihinjitra toy ny hazo,” Namana, martsa 2025, 32.
Andao hanetsika vatana
Mihinjitra toy ny hazo
-
Mijoroa dia ataovy mitambatra ny tongotrao ary ataovy mivoaka ny sandrinao.
-
Akimpio ny masonao dia atsangano ambony ny sandrinao. Alaovy sary an-tsaina hoe rantsan-kazo izany ary ravin-kazo ireo rantsan-tananao!
-
Ataovy mihinjitra tsimoramora avy any amin’ny lafy ilany mankany amin’ny lafy iray hafa izany izao. Avelao hivezivezy toy ny rivotra mitsoka ao anatin’ireo sampan-kazo ny sandrinao.
-
Misintòna sy mamoaha rivotra mafy. Avelao hilatsaka tsikelikely eo amin’ny ilany havia sy havanan’ny vatanao ireo sandrinao. Inona no tsapanao?
Sary nataon’i Alexandra Colombo