“Maneho ny fiarahabana avy aty Madagasikara!” Namana, martsa 2025, 8–9.
Maneho fiarahabana avy aty Madagasikara!
I Madagasikara dia firenena iray any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Afrika atsimo. Olona eo ho eo amin’ny 30 tapitrisa eo no mipetraka ao. Malagasy sy Frantsay ny fiteny ôfisialin’izy ireo.
Hodidinin’ny rano
I Madagasikara no nosy fahefatra lehibe indrindra maneran-tany.
Vato niforona
Ny valan-javaboahary Tsingy de Bemahara dia ahitana alam-bato sokay. Ny sasany amin’ireo vato niforona dia mirefy 100m ny haavony!
Fanaovana Lavanila
Mamboly lavanila izay amidy maneran-tany i Madagasikara. Mamokatra lavanila eo ho eo amin’ny 3.000 taonina isan-taona eo ilay firenena!
Ny hazo baobaba
Ny baobaba no hazo maneho ny firenena ao Madagasikara ary afaka miaina mandritra ny 1.000 taona mahery. Ny hazo baobaba dia manome voankazo hohanina, sy hodi-kazo hanaovana tady, ary fialofana amin’ny masoandro ho an’ny olona.
Biby miavaka
Misy karazany maro ny gidro. Avy ao Madagasikara avokoa izy ireo.
Biby iray hafa avy ao amin’io firenena io ny zébu (omby gasy), izay karazana biby fiompy ampiasain’ny olona amin’ny fambolena, hakana ronono ary hanaovana dia.