2025
Fiadanana avy amin’ny Tempoly
Martsa 2025


“Fiadanana avy amin’ny Tempoly,” Namana, martsa 2025, 2–3.

Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Fiadanana avy amin’ny Tempoly

Namboarina avy tamin’ny “Hilamina ny zava-drehetra noho ireo fanekempihavanan’ny tempoly,” Liahona, mey 2024, 24–27.

Fiara mizotra mankeny amin’ny tempoly

Taona maro lasa izay dia nandeha fiara izaho sy ny vadiko mba hitsidika ny Tempolin’i Idaho Falls. Nijanona tao an-trano niaraka tamin’ny mpitaiza ireo zanakay lahy mbola kely miisa efatra.

Rehefa niomana ny hody izahay dia nilaza taminay ny iray tamin’ireo mpiasan’ny tempoly fa nirodana ny Tohodrano Teton tany amin’ny faritra atsinanan’i Idaho! Tondraky ny rano ny ankamaroan’ny tanàna nisy anay.

Niara-nandohalika izaho sy ny vadiko ary nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra mba ho voaro ireo zanakay sy ireo olona an’arivony voakasiky ny tondradrano. Tonga mazava tsara tao am-poko sy tao an-tsaiko ireto teny ireto: “Na inona na inona mitranga dia hilamina ny zava-drehetra noho ny tempoly.” Feno fankasitrahana izahay taoriana kelin’izay rehefa nahafantatra fa tsy nisy na inona na inona nanjo ireo zanakay lahy.

Tsy misy zavatra manan-danja kokoa noho ny fanajana ny fanekempihavanana izay hataonao any amin’ny tempoly indray andro any. Na inona na inona hitranga dia hilamina ny zava-drehetra noho ireo fanekempihavanan’ny tempoly.

Lala-mifampidipiditra maneho tempoly

Afaka mitondra fiadanana ho antsika mandritra ny fotoan-tsarotra ny tempoly. Araho ny lala-mifampidipiditra izay mitondra mankeny amin’ny faratampon’ny Tempolin’i Idaho Falls!

Lala-mifampidipiditra toy ny tempoly

Sary nataon’i Alyssa Tallent