“Mitady rajako,” Namana, martsa 2025, 4–5.
Mitady rajako
“Mitovy amin’ny fomba ahafahako mandre ny Fanahy Masina mihitsy izany rehefa mihaino aho.”
Tantara marina avy any Costa Rica.
“Oay e!” Hoy i Ethan. “Hitanao ve io iray io?”
“Eny, jereo anie ny rambony kely mahafatifaty e!” hoy i Lily.
Nitraka i Boston, saingy aloka ihany no hitany.
“Efa rajako telo izay no hitantsika androany!” Hoy i Ethan.
Saingy tsy nahita i Boston na dia iray aza! Nitsidika ala trôpikaly iray ny fianakaviany mba hijery rajako dia. Saingy lavitra loatra ireo rajako ka tsy hitan’i Boston.
Jamba i Boston. Tsy afaka nahita afa-tsy zavatra tena akaiky azy izy. Raha ny mahazatra dia tsy nampaninona azy izany hoe jamba izany. Mbola afaka nanao zavatra mahafinaritra maro izy. Afaka namaky soratra mivohitra ho an’ny jamba amin’ny tanany izy ary nandeha tamin’ny tehiny tao anatin’ny haizina. Ary afaka nahita olona izy tamin’ny alalan’ny fihainoana ny feon’izy ireo.
Saingy indraindray dia tsy tian’i Boston izany jamba izany. Toy ny androany.
Nipetraka teo amin’ny tany i Boston dia nisento. Tsy rariny izany! Hoy izy nieritreritra.
Minitra vitsy taorian’izay dia nahita hevitra izy. Ray any An-danitra ô! Mba ataovy misy rajako manatona akaiky ahy mba hahitako azy, hoy i Boston nivavaka tao an-tsainy.
Tsy mbola afaka nahita rajako aloha i Boston. Dia naheno feo avy lavitra izy avy eo.
“Henonareo ve izany?” Hoy i Boston nanontany. “Rajako angamba ilay teo!”
“Tsy nahare na inona na inona aho,” hoy i Ethan.
“Izaho koa tsy naheno,” hoy i dada. “Marani-tsofina kosa ianao a!”
Naheno rajako nihazakazaka namakivaky ireo kirihitra teo akaikin’ilay lalana i Boston. Nanondro tany amin’izay nivoahan’ilay feo izy. “Izany misy iray!”
Dia naheno iray hafa izy avy eo, dia iray hafa koa. Indraindray dia afaka nahita ireo rajako ny fianakaviana raha vao nanondro azy ireo izy. Saingy tsy nisy nanatona azy akaiky mba ho hitany ireo rajako ireo.
Vetivety foana dia tonga ny fotoana hodiana.
“Miala tsiny aho fa tsy nahita rajako akory ianao,” hoy i Neny rehefa nandeha nankeny amin’ny fiara izy ireo.
Nanetsika ny sorony i Boston. “Tsy maninona izany. Te-hahita iray aho, saingy ho solon’izay dia naheno be dia be tamin’izy ireo aho.” Dia nieritreritra ny vavaka nataony izy avy eo. “Ohatra an’ny mampahatsiahy ahy ny Fanahy Masina izany.”
“Inona no tianao holazaina?” Hoy i neny nanontany.
“Rehefa nijanona aho mba hihaino dia tsapako fa nanodidina ahy izy rehetra. Afaka naheno azy ireo aho na dia tsy afaka nahita azy ireo aza. Tahaka ny fomba ahafahako maheno ny Fanahy Masina mihitsy izany rehefa mihaino aho.”
“Lesona tsara tokoa izany,” hoy i neny.
Naheno zavatra tao anaty kirihitra teo akaikiny i Boston. Avy eo dia nisy zavatra nivoaka nankeo amin’ilay lalana, teo anoloany mihitsy! Nisy volony manopy mena sy rambo lava ilay izy. Nijanona ilay izy dia nijery azy tsara. Dia nandositra nankany anaty ala indray ilay izy avy eo.
Oay! Rajako! Nahita iray ihany izy nony farany!
Nitsiky i Boston. Sarotra iainana ny hoe jamba indraindray. Saingy androany izany dia nanampy azy hianatra momba ny Fanahy Masina. Ary tena nahafinaritra tokoa izany.
Sary nataon’i Alyssa Gonzalez