2025
Fitadiavana ny fitoniana
Martsa 2025


“Fitadiavana ny fitoniana,” Namana, martsa 2025, 7.

Valinteny avy amin’ny Apôstôly iray

Fitadiavana ny fitoniana

Namboarina avy tamin’ny “Mitonia, ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra,” Liahona, mey 2024, 28–31.

Ankizivavy sy lehilahy miara-mipetraka amim-pilaminana ao anaty fitateram-bahoaka

Mampianatra antsika ny soratra masina hoe: “Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra” (Salamo 46:10).

Ny hoe tony dia afaka manampy antsika hahatsiaro ny Mpamonjy sy hahatsapa fiadanana ao amin’ny fanahintsika.

Afaka ny ho “tony” isika rehefa manam-pinoana fa manampy antsika hanao zavatra sarotra ny Mpamonjy.

Afaka mitony isika isaky ny alahady ary mahafantatra fa Raintsika any An-danitra Andriamanitra.

Alt text

Sary nataon’i Mark Robison