2025
Tafaverina amin’ny laoniny ny fisoronana
Martsa 2025


“Tafaverina amin’ny laoniny ny fisoronana,” Namana, martsa 2025, 26–28.

Tantara ao amin’ny soratra masina

Tafaverina amin’ny laoniny ny fisoronana

Azonao vakina ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:66–73 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12 io tantara io.

Joseph Smith miresaka amin’i Oliver Cowdery miaraka amin’ny fanehoana ny ao an’eritreriny izay Kristy mitsidika ny Nefita

Taorian’ny nahazoan’i Joseph Smith ireo takela-bolamena, dia nanomboka nandika izany izy. Nosoratan’i Oliver Cowdery ny zavatra nolazainy. Rehefa niasa izy ireo dia nianatra fa tian’i Jesoa Kristy hatao batisa ny olona rehetra.

I Joseph Smith sy i Oliver Cowdery mivavaka any anaty ala

Nanontany tena i Joseph sy i Oliver hoe iza no nanana ny herin’ Andriamanitra hanao batisa olona. Nandeha tany anaty ala izy ireo mba hivavaka sy hanontany an’ Andriamanitra.

Anjely mametraka ny tanany eo ambony lohan’i Joseph Smith

Rehefa nivavaka izy ireo dia nisy anjely niseho. Nilaza izy fa izy no i Jaona Mpanao Batisa, izay nanao batisa an’i Jesoa Kristy taloha ela be. Nomeny ny Fisoronana Aharôna i Joseph sy i Oliver mba hahafahan’izy ireo manao batisa ny hafa. Ny Fisoronana dia herin’Andriamanitra. Ampiasaina izany mba hitahiana ireo zanak’ Andriamanitra.

I Joseph Smith manao batisa an’i Oliver Cowdery

Nasain’i Jaona Mpanao Batisa nanao batisa i Joseph sy i Oliver. Niditra tao anaty renirano iray izy ireo dia nifanao batisa. Rehefa nivoaka avy tao anaty rano izy ireo dia heniky ny Fanahy Masina. Faly be izy ireo!

Anjely telo mametra-tanana eo ambony lohan’i Joseph Smith

Taty aoriana dia nisy anjely hafa tonga. Ny telo tamin’ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy—i Petera sy i Jakoba ary i Jaona—dia nanome ny Fisoronana Melkizedeka an’i Joseph sy i Oliver. Tamin’izay dia afaka nanome ny fanomezana ny Fanahy Masina ho an’ny hafa i Joseph sy i Oliver.

Tantara amin’ny endrika PDF