“Fomba 5 hifehezana ireo fiontanam-po mafy,” Namana, martsa 2025, 38–39.
Fomba 5 hifehezana ny fiontanam-po mafy
Mety ho sarotra ny fiainana indraindray! Ny fahatsapana fiontanam-po mafy, toy ny alahelo sy ny fanahiana, dia isan’ny zavatra iainantsika eto an-tany.
Ianarantsika ao amin’ny soratra masina fa na ny Mpamonjy aza dia nalahelo ihany koa indraindray (jereo ny Jaona 11:32–36). Niaritra ny karazana fanaintainana rehetra i Jesoa Kristy. Noho izany dia fantany tsara ny zavatra tsapanao. Fantany tsara ihany koa ny fomba hanampiana anao. (Jereo ny Almà 7:11–12.)
Ireto misy zavatra dimy izay manampy rehefa mahatsapa ho kivy ianao.
1
Mivavaha amin’ny Ray any An-danitra mba hahazo fanampiana.
Rehefa mivavaka ianao mba hahazo fanampiana dia afaka mitarika anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (jereo ny Almà 37:36–37). Tia anao Izy Ireo, ary te hanampy anao.
2
Tadidio fa tiana ianao.
Mampianatra ny soratra masina fa “lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10). Midika izany fa tiana sy manan-danja amin’ny Ray any An-danitra ianao!
3
Mivoaha ny trano!
Noharian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho antsika ity tontolo kanto ity. Ny filalaovana any ivelan’ny trano dia manampy anao hitombo fahasalamana sy tanjaka, ary afaka manampy anao hahatsapa ho metimety kokoa sy tony kokoa izany.
4
Soraty ny zavatra tsapanao.
Ny fanoratana anaty diary dia afaka manampy anao hitadidy ireo lesona nianaranao teo amin’ny fiainana. Afaka manampy anao koa izany mba hahatakatra kokoa ny zavatra tsapanao.
5
Miresaha amina olon-dehibe iray azo itokiana.
Rehefa miresaka amin’ny olona iray momba ny zavatra tsapanao ianao dia afaka manampy anao izy ireo mba hahatsiarovanao ny maha-olona miavaka anao. Afaka manampy anao ihany koa izy ireo hahafantatra ny fomba hahazoana ny fanohanana ilainao.
Indraindray, na dia rehefa avy manao ireo zavatra ireo aza, dia mety mbola halahelo ianao. Mety mila miresaka amin’ny dokotera iray ianao mba hanampiana anao hahatsapa ho metimety kokoa. Ary afaka mangataka tsodranon’ny fisoronana foana ianao. Na inona na inona mitranga dia tsy irery ianao! Tia anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Te hitahy anao sy hanampy anao Izy Ireo.
Sary nataon’i Stephanie Mackay