“Mihira mba handroahana ny eritreritra mampatahotra,” Namana, martsa 2025, 16–17.
Mihira mba handroahana ny eritreritra mampatahotra
Tampoka teo dia tonga tao an-tsainy ny tonon’ny hiran’ny Kilonga tiany indrindra.
Tantara marina avy any Mexique.
“Matory amin’izay ô!”, hoy i Mama nitsiky.
Niditra tao amin’ny efitranony i Logan. Nivavaka izy dia nandady nankao am-pandriana. Avy eo dia namaky tantara iray taminy i Mama. Nakimpiny tsimoramora ny masony. Vetivety izy dia resin-tory.
Saingy nanofy zavatra mampatahotra i Logan. Irery tao amin’ny toerana maizina iray izy. Nahita biby be feno zavatra mitsilotsilo misy nify goavam-be izy. Nitrerona azy ilay izy. Dia nanomboka nihazakazaka nankeny aminy ilay izy!
Niezaka nitsoaka i Logan. Saingy nibolisatra izy dia nianjera! Nihananakaiky sy nihalehibe ilay biby be ary avy eo-—
Taitra i Logan dia niarina nipetraka teo am-pandriana. Nofafany ny ranomaso ary hitany fa mbola maizina tany ivelany.
Te hiresaka tamin’ny ray aman-dreniny momba ilay nofy izy. Saingy tsy te hiala teo am-pandriany izy. Ny haizina dia nahatonga azy hahatsapa toy ny hoe misy biby be miafina any ho any. Toa nampatahotra avokoa ny aloka rehetra. Toy ny biby be nitrerona ny alika iray nivovo tany ivelany.
Nosintonin’i Logan hatreo amin’ny orony ireo lamba firakotra. Natahotra loatra izy ka tsy sahy nihetsika.
Te hiverina ho resin-tory izy. Saingy isaky ny nakimpiny ny masony dia nahita ny tarehy feno hatezerana sy ny nify maranitr’ilay biby izy. Tsy nahavita nitsahatra nijery ireo aloka nampatahotra izy.
Avy eo izy dia nahita sary teo amin’ny latabatra teo akaikin’ny fandriany. Sariny niaraka tamin’ireo rahalahiny roa sy i Papa ary i Mama teo ivelan’ny tempoly tany Monterrey Mexique izany. Toa faly ery izy ireo.
Tampoka teo dia tonga tao an-tsainy ny tonon’ny hiran’ny Kilonga tiany indrindra. “Mahita ny tempoly,” hoy i Logan nanomboka nihira moramora. “No mahafinaritr(a) ahy. Maniry ny ho any aho, hahatsapa ny Fanahy.”*
Teo am-pihirany dia nieritreritra momba izany andro tany amin’ny tempoly niaraka tamin’ny fianakaviany izany i Logan. Nahatsapa fiadanana tokoa izy. Noho ny tempoly dia afaka ny hiaraka amin’ny fianakaviany mandrakizay izy.
Tsy nahare ilay alika nivovo nihoatra ny hamafin’ny feony i Logan. Nakimpiny ny masony dia nanohy nihira izy. “Ka raha mahatoky izahay, dia ho mandrakizay.” Nahatsapa fiadanana tao am-pony izy izay nahatonga azy hitsiky. Fantany fa tsy nisy biby be teo.
Maizina sy nampatahotra ilay efitrano teo. Saingy toerana tony sy azo antoka izany ankehitriny. Niverina nidaboka teo ambony ondany i Logan dia resin-tory tamim-pilaminana.
Rehefa nifoha izy dia nipoaka ny masoandro tao ivelan’ny trano. Niarina izy dia nijery ny tara-masoandro nitaratra teo amin’ilay sarina tempoliny. Nohirahirainy ny hira tiany indrindra rehefa nivonona ho any am-piangonana izy.
Teny an-dalana ho any am-piangonana dia notantarainy tamin’ny fianakaviany ny nofy ratsiny sy ny hira nohirainy. Nihaino ireo lahateny sy nihira hira tao amin’ny fihirana tao amin’ny trano fiangonana izy. Dia tonga amin’izay ny fotoana handehanana tany amin’ny Kilonga.
Tian’i Logan ny nihaino ilay pianô. Ary fantany amin’izay fa manana hery lehibe tokoa ny hira sasany ka mahavita mandroaka mihitsy ireo biby be mampatahotra.
“Tonga soa ato amin’ny fotoam-pihirana,” hoy ilay mpitarika ny Kilonga. “Inona no hira tokony hohiraintsika voalohany?”
“Fantatro!” hoy i Logan, nanangana avo ny tanany. “Andao hihira ny -Mahita ny Tempoly no mahafinaritra ahy.-”
Sary fanehoana nataon’i Carolina Farias