2025
Malahelo
Martsa 2025


“Malahelo”, Namana, martsa 2025, 36–37.

Malahelo

Nahoana aho no tsy afaka ny ho faly tahaka ny olona hafa rehetra?

Tantara marina avy any Etazonia.

Nosintonin’i Savannah hanarona ny lohany ilay bodofotsy. Tena andro ratsy ny androany.

Tsy nahavita nifantoka na tamin’inona na inona i Savannah nandritra ny fianarana tany an-tsekoly androany. Nahatsapa ho reraka sy sorena ary nalahelo izy. Nahatsapa ho tsy nahazo aina mihitsy izy ary tsy nety afaka ilay izy. Rehefa nifarana ny tontolo andro dia ny handady tao ambany latabany sy hiafina no hany zavatra tiany hatao.

Tato ho ato dia efa saika ho nandritra ny fotoana rehetra i Savannah no nalahelo. Niezaka nampahery azy ireo namany, saingy indraindray dia tsy te hiaraka tamin’izy ireo i Savannah. Toa faly foana izy ireo. Indraindray izy dia nieritreritra hoe ho faly kokoa izy ireo rehefa tsy miaraka aminy.

Fa maninona ary aho? Hoy i Savannah nanontany tena. Nahoana aho no tsy afaka ny ho faly tahaka ny olona hafa rehetra?

Nahatsapa ho mangatsiaka sy manirery tahaka ireo rahona mainty tao ivelany izy. Ary izao izy dia te hatory fotsiny ihany.

Naheno ny varavaran’ny efitrano fatoriany nisokatra i Savannah.

“Savannah a!” hoy i Neny, nipetraka teo amin’ny sisin’ny fandriana, “Fa misy inona?”

Reny sy ankizivavy malahelo endrika mipetraka eo ambony fandriana

“Tsy misy na inona na inona,” hoy i Savannah. “Reraka fotsiny aho.”

“Tena tsy maninona ianao a?” Hoy i Neny nanontany. “Manahy ny aminao aho.”

“Tsy maninona aho,” hoy i Savannah.

“Eny ary.” Nitsangana i Neny. “Tadidio fotsiny fa afaka miresaka amiko momba ny zavatra rehetra ianao. Tiako ianao.”

Nijanona teo am-pandriana i Savannah mandra-pisakafo hariva. Tsy nahita tory izy tamin’io alina io. Tsy nitsahatra nieritreritra ny zava-drehetra ny sainy.

Ny ampitson’iny dia mbola nahatsapa ho trotraka ihany izy. Mbola andro hafa tena sarotra ho azy indray izany. Nody avy tany an-tsekoly i Savannah dia nipetraka teo amin’ny latabatra tao an-dakozia. Nisento izy dia nijery ny teny amin’ny varavarankely. Mbola nirotsaka ihany ny oram-panala.

“Savannah?”

Nitodika i Savannah dia taitra raha nahita an’i Bebe niditra tao amin’ny efitrano.

“Manahoana i Bebe,” hoy i Savannah. “Inona no ataonao aty?”

Nipetraka i Bebe. “Tian’ny reninao ho avy aty aho,” hoy izy. “Manahy ny aminao izy.”

“Tena reraka be fotsiny aho. Fa tsy maninona aho na dia izany aza,” hoy i Savannah.

Nitsiky malefaka i Bebe. Efa notantaraiko taminao ve ilay indray fahavaratra nifindranay sy Dadabe trano?”

“Tsy mbola, raha ny fahalalako azy,” hoy i Savannah.

“Nalahelo foana aho,” hoy i Bebe. “Te ho faly aho, saingy tsy niraharaha na inona na inona aho. Nahatsiaro ho tena irery aho.”

“Nanana an’i Dadabe sy i Neny nefa ianao.” Niondrika nijery ny kirarony i Savannah. “Fa nahoana ianao no hahatsapa ho manirery?”

“Tsy afaka nahalala ny zavatra nitranga aho,” hoy i Bebe. “Tsy mbola nanana fahatsapana toy izany mihitsy aho. Nony farany dia nandeha tany amin’ny mpitsabo aho.”

“Inona no nitranga?”

Nisakambina azy i Bebe. “Fantatro tamin’izany fa tratran’ny fahaketrahana aho.”

“Ai! Dia nalahelo fotsiny izany ianao?” Hoy i Savannah nanontany.

“Tsia, mihoatra lavitra ny malahelo fotsiny ny fahaketrahana,” hoy i Bebe nanazava. “Toa tsy nety nisinda ny alaheloko. Sahirana aho nanao ireo zavatra rehetra fanaoko mahazatra. Ary sarotra tamiko ny nifandray tamin’ny olona hafa, na dia ny fianakaviako aza. Tena nila fanampiana aho.”

Nitraka i Savannah. “Karazana fanampiana toy ny ahoana?”

“Nohazavain’ny mpitsabo ny zavatra tsy nety, dia niara-nanao drafitra izahay mba hanampy ahy ho salama kokoa,” hoy i Bebe. “Saingy mbola nalahelo ihany aho indraindray. Nandany fotoana maro nivavahana aho. Rehefa nanirery aho dia naka sary an-tsaina ny Mpamonjy nipetraka teo anilako. Nihatsara ny fahatsapana nananako rehefa nieritreritra Azy aho.”

Nijery ny oram-panala tao ivelany i Savannah dia nangorintsina. “Tena malahelo loatra koa aho. Miezaka ny ho faly aho, saingy tsy mahavita tsotra izao indraindray, dia tezitra amin’ny tenako aho avy eo noho ny fananako izany fahatsapana izany.”

“Fantatro izany malala a!” Nofihinin’i Bebe i Savannah. “Mahatsapa toy izany koa aho indraindray. Saingy tsy irery ianao. Tiako ianao, tia anao ny ray aman-dreninareo, ary tia anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Takatr’izy ireo ny fanaintainanao ary tsy handao anao na oviana na oviana Izy Ireo.”

Mety marina angamba ny voalazan’i Bebe, hoy i Savannah nieritreritra. Tsy irery aho. Tsy navesatra firy intsony ny tsy fahazoan’aina nahazo an’i Savannah.

“Tokony hiresaka amin’i Neny aho angamba,” hoy i Savannah. “Te hanampy ahy koa izy.”

“Hevitra tena tsara izany!” Noraisin’i Bebe ny tanan’i Savannah.

Nitsiky i Savannah dia niankina teo an-tsorok’i Bebe. Tsy dia nahatsapa ho tena mangatsiaka sy manirery intsony izy.

ankizivavy sy renibe mifamihina
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Marina Pessarrodona